Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hamasinina amin'ny finoana sy ny fankatoavana

Daty
Zoma 08 November 2024

"Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo." - Jao. 15:8 

Mofon'aina:
Maro no mihemotra eo anatrehan'ny fiainana tahaka izay niainan'ny Mpamonjy. Mihevitra izy ireo fa lehibe loatra ny fahafoizana takina aminy mba hanahafany ilay Môdely, sy hitondrany ny voan'ny asa tsara, ary hanekeny amim-paharetana ny fandrantsanan'Andriamanitra hahafahany mamoa bebe kokoa. Rehefa mijery ny tenany tahaka ny fitaovana tsotra eo an-tanan'i Kristy anefa ny Kristianina, rehefa miezaka mba hanao amim-pahatokiana ny adidy rehetra izy ary miantehitra amin'ny fanampiana nampanantenain'Andriamanitra, dia hitondra ny ziogan'i Kristy ary hahita fa maivana izany (...). Azony atao ny miandrandra amin-kerim-po sy amin-toky ka hilaza hoe: "fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro" - 2 Tim. 1:12.

Rehefa tojo zava-misakana ny lalantsika ary resintsika amim-pahatokiana izany; rehefa tojo fanoherana sy fanomezan-tsiny isika nefa mandresy amin'ny anaran'i Kristy; rehefa miantsoroka ny andraikitra sy manefa ny adidintsika araka ny toe-tsain'ilay Mpampianatra antsika isika -dia mahazo fahalalana sarobidy momba iny fahatokiany sy ny heriny tokoa. Tsy miantehitra amin'ny fanandraman'ny hafa intsony isika satria isika mihitsy no efa niaina ilay fanandramana. (...)

Arakaraka ny ibanjinantsika ny toetran'i Kristy, ary arakaraka ny iainantsika ny fanandraman'ny heriny mahavonjy no hahatsapantsika bebe kokoa ny fahalementsika sy ny toetrantsika tsy tonga lafatra, ary amin'izany no hanantenantsika Azy ho herintsika sy Mpanavotra antsika. (...) (...)

Rehefa mijery ny fiainan'ny olona izay nanana fitiavam-bavaka niavaka isika dia mihevitra matetika fa tsy mety ho tratrantsika ny fanandraman'izy ireo sy ny zava-bitany. Tsy izany anefa no izy. Maty ho an'ny rehetra i Kristy; ary manome toky antsika ny Teniny fa mihoatra lavitra noho ny fahavononan'ny ray aman-dreny ara-nofo hanome fanomezana tsara ho an'ny zanany ny fahavononany hanome ny Fanahiny Masina ho an' ireo izay mangataka izany.

Tsy tamin'ny fomba mahagaga tsy akory no nanefen'ireo mpaminany sy apôstôly toetra kristianina tonga lafatra, fa nampiasainy ireo fitaovana napetrak'Andriamanitra teo an-tanany, ary izay rehetra miezaka toy izany dia hahazo vokatra tahaka izay azon'izy ireo. - RC t. 97. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal