Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampirisihina ny fampiasana ny Salamo ao anaty tonom-bavaka

Daty
Alahady 07 January 2024

Vakio ny Sal. 105:6, Kôl. 3:16, sy ny Jak. 5:13. Aiza ho aiza ny toeran'ny Salamo ao anatin'ny fanandramana ara-pivavahan’ny mpino?

Misy fomba tsotra ahafahantsika mampiditra ny Salamo ho eo amin'ny fiainantsika andavanandro, dia ny fanokanana fotoana isan’andro hamakiana Salamo iray, manomboka amin’ny Salamo voalohany, ary avy eo manaraka ny filaharany ao amin'ny boky. Fomba iray koa ny mamaky ny Salamo mifanaraka amin’ny toe-javatra iainanao ankehitriny, na manao ahoana na manao ahoana fisehon’izany; misy mantsy ny Salamo fitarainana, na isam-batan’olona na iarahana amin’ny besinimaro, ny Salamo fisaorana, ny hira Salamo, ny Salamo fibebahana, ny Salamom-pahendrena (fikatsahana fahendrena sy tari-dalana avy amin’Andriamanitra), ny Salamo ara-tantara, ny Salamo maneho fahatezerana sy haromotana, ary ny Salamo fanao any am-pivahiniana. Hodinihintsika mandritra ity telovolana ity ny ankamaroan’izy ireo, ka ao anatin’ny tontolon-kevitra isehoany no handinihantsika izany.

Ahoana àry no tokony ho fomba famakiantsika ny Salamo?

Vakio aloha ilay salamo, manaova famakafakana tsotra, avy eo mivavaha. Ny fisaintsainana ny Salamo dia mahatonga ny fandinihana ireto lafiny ireto: ny fomba firesak’ilay mpanao salamo amin’Andriamanitra ary ny anton’ny vavaka ataony. Diniho, inona no ifandraisan’ny fanandraman’ilay mpanao Salamo amin’ny toe- javatra iainanao, ary ahoana no mety hanampian’ilay Salamo anao hanambara ny fahatsapanao. Ho gaga ianao fa mifanaraka tsara aminao tokoa ny zavatra vakinao ao ankapobeny.

Raha misy zavatra manelingelina anao ao amin’ilay Salamo dia diniho andrao manitsy ny fanantenana poakaty anananao ankehitriny izany, ohatra, ao anatin’ny toe-javatra atrehinao. Diniho eo ambanin’ny fahazavan’i Kristy sy ny asany mitondra famonjena ary ny fanantenana maharitra atolotrizany ho antsika ny Salamo. Araka ny efa fantatsika, raha tsy izany dia tokony ho fantatsika fa ilaina mandrakariva ny mampifandray izay rehetra dinihintsika ao amin'ny Baiboly amin’i Kristy sy ny hazo fijaliana.

Jereo koa ireo antom-bavaka vaovao omen’ny Salamo, ary saintsaino ny lanjan'izany ho anao, ho an’ny fiangonanao, ary ho an’izao tontolo izao. Angataho Andriamanitra hametraka ny teniny ao am-ponao sy ao an-tsainao. Raha mifandraika amin’ny toe-javatra iainan’ny olona fantatrao ilay Salamo, dia manaova vavaka fanelanelanana ho an’izany olona izany. Ny mahavariana dia mahakasika lafiny maro dia maro eo amin'ny fiainana ny Salamo, ary hampitombo ny fahalalantsika ny famakiana sy ny fandraisana am-po izay ambarany amintsika.

Inona no hevitry ny hoe: “Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo’’ – Kôl. 3:16? Nahoana ny famakiana ny Baiboly no dingana lehibe voalohany tsy maintsy atao ao anatin'izany fanandramana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal