Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hazavaina ho amin'ny famirapiratana tanteraka 

Daty
Alatsinainy 11 November 2024

"Aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; mahatoky toy ny maraina ny fiposahany." - Hôs. 6:3 


Momon’aina:
Velona eo anivon' ireo lozamiseho amin'ny andro farany isika ka tokony hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra ary hanao ny akanjom-pahamarinan'i Kristy. (...) Tokony hitondra ny amintsika hilefitra amin'i Kristy isika, ny tenantsika, ny fanahintsika ary ny toe-tsaintsika. Raha tsy manao izany isika dia hotandindomin-doza ny fahasalaman'ny tenantsika sy ny fanahintsika.

Irin'Andriamanitra ny hahazoan'ny mpiasany isan'andro fahatakarana ny fomba fisainana ara-lôjika izay mampifandrayny anton-j avatra am in' ny vokany, ka hahatonga azy ho tonga amin'ny fehin-kevitra feno fahendrena sy azo antoka. (...) Aoka isika hipetraka eo an-tongotr'i Kristy tahaka ny zaza madinika, ka hianatra Aminy ny fomba fiasa mampahomby. Aoka isika hangataka amin'Andriamanitra mba homeny fahaiza-mandanjalanja amim-pahendrena, ary koa fahazavana mba hozaraina amin'ny hafa. Ilaina ny fahalalana vokatry ny fanandramana. Tsy tokony hamela ny andro iray handalo fotsiny isika ka tsy hahazo fahalalana fanampiny mahakasika ny zavatry ny tany sy ny zava-panahy. (...)

Ny fifaranan'ny andro tsirairay dia tokony ho dingana iray hampanakaiky amin'ny valisoan'ny mpandresy. (...) Rehefa mijery an'i Jesôsy isan'andro isika fa tsy izay zava-bitantsika, dia hanao dingam-pandrosoana eo amin'ny fahalalana eto an-tany sy ara-panahy.

Efa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra. Tsy tokony hahatonga antsika hiato amin'ny asa ny zavatra efa vitantsika. Hoy Ilay Kapitenin'ny famonjena antsika: "Mandrosoa. Avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona." (...) Tokony ho eo ambanin'ny herin'i Kristy mandrakariva ny fiainantsika, ary tokony havela hirehitra sy hazava ny fanalantsika.

Fitaovana hahazoana fahombiazana izay nomen'ny lanitra antsika ny vavaka. (...) Ny hery izay azo ho setrin'ny fivavahana no hahatonga ny olona ho hendry araka ny fahendren'ny lanitra, ary izany no hahafahany hiasa ao amin'ny firaisana amin'ny Fanahy, izay akamban'ny fatoram-pihavanana. (...)

Izaymametrakanytenany eo amin'ny toerana hahafahan'Andriamanitra manazava azy dia mandroso, toy ny miasa ao amin'ny hazavana somambisambin'ny maraina ho amin'ny famirapiratana fenon'ny mitataovovonana. - RC, t. 159. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal