Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hevitra iray tsy hain'ny tsy mpino taherina

Daty
Alarobia 13 November 2024

  "Raha mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava." - Jao. 12:36 

Mofon’aina:
Tohan-kevitra iray tsy hain'ny tsy mpino toherina ny tokantrano kristianina milamina. (...) Ary ny zanaka ao amin'ny tokantrano tahaka izany dia voaomana hiatrika ireo teny tsara lahatra mitory tsy fahatokiana. Efa noraisin'izy ireo ho fototra iorenan'ny finoany ny Baiboly, mafy orina ny fanorenany ka tsy hopaohin'ny onjan'ny fisalasalana.

Hoy i Kristy: "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao." Nomeny talenta mba hotandremana isika. Inona no ataontsika amin'ireny fanomezana nankininy tamintsika ireny? (...) Maro no mampiasa ireny amim-pitiavan-tena. Toy ny tsy tsapany fa hotsaraina isika (...). Inona àry ny fialan-tsiny hatolotr' izy ireo amin'ilay andro lehibe noho ny tsy nampiasany ny fahaiza-manao ananany, (...) ny faharetany sy ny hafanam-pony ho an'ny asan' Andriamanitra?

Mila ny fanampian'ny lanitra isika raha tiantsika hirehitra mandrakariva ny fanalantsika. Efa maty mba hanome antsika izany fanampiana izany i Jesôsy. Izao no fanasany (...): "(...) aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy." - Isa. 27:5. Fikiro ny Sandrin'ilay Hery tsy manam-petra dia ho hitanao fa sarobidy ho an'ny fanahinao Izy, ary hamaly ny fangatahanao ny lanitra manontolo "Raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava dia hiaraka amintsika ireo anjely masina. Izao no teny natao tamin'i Josoa: Izao no lazain'i Jehôvah , Tompon'ny maro:  Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia (...) homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao." - Zak. 3:7. Iza moa ireo "mitsangana ireo"? Tsy iza ireo fa ny anjelin'i Jehôvah. (...)

Araka izany, ry Kristianina ry Kristianina malal, ry ray sy reny, aza avela hitsilopilopy na oviana na oviana ny jironao! Ho ketraka ve ny finoanao na hiraviravy ny tananao? Sanatria izany! Dia hihamisokatra ho anao ireo vavahadin'ny tananan’ny lanitra, ary ho azonao atao ny hiseho eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe: "Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy" - Isa.8:18. Valisoan'ny fahatokiana manao  ahoana re izany hahita ny zanakao hosatrohana ny satro-boninahitry ny fiainana tsy misy fahafatesana ao amin'ilay tanana tsara tarehin' Andriamanitra!- RC t. 168.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal