Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiainam-pivavahana tsara kokoa ao am-piangonana

Daty
Alahady 17 November 2024

"Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo." Jao. 3:7 

Mofon’aina:
Apetraka matetika ny fanontaniana hoe: nahoana no tsy misy hery loatra ao amin'ny fiangonana? Nahoana no tsy hita ao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra izay sarobidy tokoa? Izao no anton'izany: tsy voatandrina araka ny tokony ho izy ny fitakian'ny Tenin'Andriamanitra; tsy tiavina amin'ny fitiavana ambony indrindra Andriamanitra, ary tsy tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika. (...) Aoka hiseho ny fankatoavana ireo fitsipika roa napetrak'Andriamanitra ireo dia tsy hisy fifandirana intsony ao am-piangonana, ary hisy firindrana ao amin'ny mpianakavy. Ivelambelany fotsiny no anatanterahan'ny maro izany ka ny fiseho ivelany no manjary maka ny toeran'ny asan'ny fahasoavana ao anaty. (...) Ny saina fotsiny no voaovan'ny fampianaran'ny fahamarinana fa ny tempolin'ny fanahy kosa tsy mbola voadio amin'ny sampiny. (...)

(…)Tsy hita eo amin'ny mambran'ny fiangonana ny fifandraisana velona amin'Andriamanitra izay tokony hananany mba hahafahany mamabo fanahy avy amin'ny maizina ho amin’ny mazava. Aoka ho tsara ny hazo dia ho tsara ny voany. Manan-danja ho an'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ny fiasan'ny Fanahin'Andriamanitra ao am-po. Tsy maintsy mandray izany ao am-po ireo izay manaiky ny fahamarinana ary mamela Azy hanadio ny fony, izay izy vao afaka hitandrina ny didin'Andriamanitra (...).

Tsy dinihina araka ny tokony ho izy ny Baiboly ary tsy atao fitsipi-piainana. Raha mba narahintsika tsara ny fampianarany ary nataontsika fototra iorenan'ny toetra, dia ho tafajoro ny fanahy ka tsy hisy raharaham-barotra na raharahan'izao tontolo izao hampihozongozona azy. Ho tafajoro amin'ny andron'ny fitsapana sy ny zava-tsarotra ary ny loza ny toetra voavolavola tahaka izany sy tohanan'ny Tenin'Andriamanitra. (...)

(...) Osa isika, ary maro loatra no tsy mandray andraikitra eto anivontsika satria tsy manana fifandraisana amin'Andriamanitra; tsy mitoetra ao anatiny ny Mpamonjy ary tsy tsapany ny fitiavan'i Kristy izay vaovao isan'andro. Tsy misy fifandraisana eto an-tany mafy orina tahaka izany Fitiavana izany anefa, ary tsy misy na inona na inona azo ampitahaina aminy. - RC, t. 208. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal