Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sakaizan'ny olona rehetra i Jesôsy.

Daty
Alarobia 20 November 2024

"Dia hoy indray Izy: Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." - Heb. 10:9 

Mofon’aina:
Afmbony lavitra noho ny ahamendrehan'ireo mpisorona y mpanapaka ny fahame-ndrehan' i Kristy amin'ny maha-Mpampianatra avy any an-danitra Azy. Niavaka tamin'ny fisehosehoana araka izao tontolo izao rehetra izany (...). Nidina avy teo amin'ny toerana ambony maha-Kômandy Azy Izy hitondra hery ho an'ny olombelona mba hahatongavan'izy ireo ho zanak' Andriamanitra (…). Azony natao ny nitondra anjely an'arivony maro niaraka taminy mba hanampy Azy amin'ny asa fanavotana ny taranak'olombelona. 

Tsy nitoetra tamin'ny trano feno harena Izy, na ny lapan'ny mpanjaka, (...) fa naleony nifidy an'i Nazareta, tanàna feno haizina sy natao tsinontsinona, ho fonenany. Fiainana feno fahantrana sy fanetren-tena no niainany, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. (...)

Tsy nisy mpampianatra nanome voninahitra ny olombelona tahaka izay nataon'i Jesôsy Kristy Tompontsika. Fantatra tamin'ny maha-Sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota Azy Izy. Nifangaro tamin'ny saranga rehetra Izy, ary namafy fahamarinana teto amin'izao tontolo izao. (...) Sakaizan'ny olona rehetra Izy. Moa ve tsy nivoady ny hitondra fiainana sy fahazavana ho an' izay rehetra handray Azy Izy? Moa ve tsy nianiana ny hanome hery azy ireo Izy mba hahatongavan'izy ireo ho zanak'Andriamanitra? Nanolotra ny Ainy manontolo ho amin'ny asa famonjem-panahy Izy (...)

Fahafoizany ny fiainany manontolo ny fanandramana isan' andro raha "nandehandeha nanan soa" Izy. Fomba tokana ihany no nanohana izany fiainana izany. Niankina tamin'Andriamanitra i Jesôsy ary niray Taminy. Ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra, eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha no ankanesan'ny olona, ankehitriny sy taloha; mitoetra ao izy (... ) ka asa mendrika no vokatr 'izany; mihaosa ihany anefa ny finoana, tapaka ny firaisana ary voapentina ny asa atao. Ny fiainan'i Kristy kosa dia fitokiana tsy miovaova, izay tohanan'ny firaisana mitohy; ary tsy misy hokianina (...) ny fanompoany ny lanitra sy ny tany. Amin'ny maha-Olona Azy no nitalahoany ny seza fiandrianan' Andriamanitra, mandra-pahatonga ny maha-Olona Azy ho voafahan' ny heryavy any an-danitra izay nampifandray ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olona. Nandray fiainana avy tamin'Andriamanitra Izy ary mizara izany amin'ny olona. - RC, t. 228 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal