Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny valisoa mandrakizain'ny fanatrarana ny hafa.

Daty
Zoma 22 November 2024

"Fa raha manao fanasana hianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa hianao amin'ny fitsanganan'ny marina." - Lio. 14:13,14.

Mofon’aina:

Valisoan'ireo mpiasan'i Kristy ny miditra amin'ny Fifaliany. Hita ao amin'ny Fangatahana nataon'i Kristy tamin-dRainy, "tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy", izany fifaliana izay andrandrainy fatratra izany.

Niandry an'i Jesôsy mba hiarahaba Azy ireo anjely rehefa niakatra ho any an-danitra taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty Izy. (...) Nihazakazaka hanodidina Azy ireo raha niditra ny vavahadin'ny lanitra Izy nefa nampiandrasany aloha izy ireo. Mbola niray fo tamin'ireo andiana mpianatra manirery sy ory izay nilaozany (...) Izy. 

Vatosoan'i Kristy ireo voavotra, hareny sarobidy sy tsy manam-paharoa. "Toy ny vaton-tsatro-boninahitra mamirapiratra" izy ireo (Zak. 9:16). "Haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina" - Efes. 1:18. Ao amin'izy ireo no hahitany ny "fisasaran'ny fanahiny (...) ka ho afa-po" Izy (Isa. 53:11).

(...) Ny fanetsehan'ny Fanahy Masina izay nitarika ny olona ho amin'ny tsara sy hankeo amin'Andriamanitra dia voamarika ao amin'ny bokin'ny lanitra. Ary amin'ny andron'i Jehôvah, izay rehetra nanolo-tena ho fitaovana hampiasain'ny Fanahy Masina dia havela hahita ny vokatry ny asany (...).

(...) Hanao ahoana re ny fankasitrahan'ireo fanahy maro hahita antsika any an-dapan'ny lanitra rehefa ho takany ny fahalianana (...) momba ny famonjena azy! Homena an'Andriamanitra sy ilay Zanak' ondrin'Andriamanitra ny dera sy ny haja ary ny voninahitra rehetra noho ny fanavotany antsika, kanefa tsy manaisotra ny voninahitr 'Andriamanitra tsy akory ny fanehoana fankasitrahana ny fitaovana nampiasainy ho famonjena ireo fanahy izay saika very.

Hifankahita ny voavonjy ary hahatadidy ireo olona natodiny ho amin' ilay Mpamonjy nasandratra. Hanao ahoana re ny hamamin'ny resaka hifanaovany amin'ireny fanahy ireny, (...). "Mpanota aho fahiny" izany no teny ho re avy aminy,nanatona ahy hianao ka nampitodika ny fisainako tamin’ilay mpamonjy sarobidy izay hany fanantenana ho ahy. Ary nino azy aho." (...)  Endrey izany fifaliana rehefa hifankahita ireo voavonjy ary hiarahaba ireo izay nitondra enta-mavesatra noho ny aminy! - RC, t. 257.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal