Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ataovy mahita sitraka Aminao indray izahay (DIEM)

Daty
Zoma 12 January 2024

Vakio ny Sal. 60:1-5. Araka ny hevitrao, amin'ny fotoana toy inona io Salamo lo no mety hatao tonom-bavaka? Amin'ny tomba ahoana no ahatahantsika mahazo tombontsoa avy amin'ny Salamo fitarainana na dia ao anatin'ny fotoam- pifaliana aza isika?

Ny fandraisan'ny olona ankapobeny ny Salamo fitarainana dia vavaka ataon'ireo izay mandalo fotoan-tsarotra, na ara-nofo, na ara-tsaina, na ara-panahy, na izy telo.

Tsy midika anefa izany fa tsy azo atao ireny Salamo ireny ao anatin'ny fotoam- piadanana. Indraindray mety tsy hifanaraka velively amin'ny fanandramana iainan'lay mpivavaka ireo teny ao amin'ny Salamo. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao: mety handray fitahiana avy amin'ny Salamo fitarainana koa ny mpivavaka na dia tsy ao anatin'ny olana aza izy.

Voalohany, mety hahatonga saina kokoa antsika izany fa efa ao anatin'ny fiainan'ny zanak'olombelona ankapobeny ny fahoriana, ary samy lanjadian izany na ny marina na ny ratsy fanahy. Manome toky antsika ny Salamo fa Andriamanitra no mifehy ny toe- javatra ary manome hery sy vahaolana ao anatin'ny fotoan-tsarotra Izy. Ao amin'io Salamo io, na ao anatin'ny fotoam-pahoriana aza ("Efa nampihorohoro ny tany Hianao" Sal. 60:2), dia maneho ny fanantenany farany ao amin'ny fanavotan Andriamanitra ilay mpanao Salamo.

Faharoa, mampianatra antsika ny Salamo fitarainana mba hangoraka ny mijaly. Eo am-panehoantsika ny fifaliantsika sy ny fankasitrahantsika an'Andriamanitra, indrindra eo anivon'ny besinimaro, dia mila mihevitra ireo izay tsy mba manana tombontsoa tahaka antsika isika. Ekena fa mety mandeha tsara ny flainantsika ankehitriny, saingy iza no tsy mahafantatra fa misy olona tena mijaly mafy eny amin'ny manodidina antsika rehetra eny? Ny fanaovantsika tonom-bavaka ireny Salamo fitarainana ireny dia manampy antsika tsy hanadino ireo izay mandalo ady sarotra. Tokony hanetsika fangorahana ao anatintsika ny Salamo, ary koa faniriana hiasa ho an'ireo mijaly tahaka ny nataon'i Jesosy.

"Hôpitaly midadasika ity izao tontolo izao ity, nefa tonga i Kristy nanasitrana ny marary, mba hitory fanafahana amin'ny babon'i Satana. Fahasalamana sy tanjaka Izy tenany. Nizara ny ainy tamin'ny marary, ny tra-pahoriana, ny manana demonia Izy. Tsy nisy nialany izay tonga mba handray ny heriny mahasitrana. Fantany fa izay nangataka fanampiana Taminy dia nanana aretina tao aminy, tsy nolaviny anefa ny hanasitrana azy ireo. Ary rehefa niditra tao amin'ireo fanahy mahantra ireo ny toetra tsara avy amin'i Kristy, dia resy lahatra ny amin'ny fahotany izy ireo, ka maro no sitrana tamin'ny aretiny ara-panahy sy tamin'ny aretiny ara-nofo. Mbola manana io hery io ny Filazantsara, ary nahoana moa isika no tsy tokony hahita vokatra mitovy amin'izany?" - WM, tt. 24,25.

Iza no olona fantatrao ankehitriny fa mila ny fitondranao azy amim-bavaka, ary tsy Izany ihany fa mila ny fanompianao mivantana koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal