Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: SAMBATRA IZAY MINO - Firesahana momba ny an’i ABRAHAMA

Daty
Alahady 10 November 2024

Tsy menatra nanambara ny maha-Izy Azy na niantso vavolombelona hanambara ny momba Azy I Jesôsy , eny fa na dia efa nodimandry efa ela aza izany vavolombelona izany, anisan'izany i Abrahama. "Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly." - Jao. 8:56.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fijoroan'i Abrahama ho vavolombelona ka nampidirina tao amin'ny filazantsaran'i Jaona mihitsy? Gen. 12:3; Gen. 18:16-18; Gen. 26:4; Mat. 1:1; Ma. 3:25.

"Tamin'ny alalan'ny mason'ny finoana no nitazanan'ilay patriarika ny Mpamonjy izay ho avy. Nolazainli Jesôsy tamin'ny Jiosy izany, fa hoy Izy: Ravaravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly'. Ny ondrilahy natolotra ho fanatitra odorana ho solon'i Isaka dia nampiseho ny Zanak’Andriamanitra izay novonoina nisolo antsika. Rehefa voaheloka ho faty ny taranaleolombelona noho ny tsy fankatoavany ny didin'Andriamanitra, dia sady nijery ny Zanany Andriamanitra no nilaza tamin'ny mpanota hoe: 'Ho velona hianao, satria, efa nahita fanavotana ho anao Aho.'- PM, tt. 136, 137, ed. 2014.

Rain'ny firenena jiosy i Abrahama. Nomena teny fikasana izy fa avy aminy no hitahiana ny firenena rehetra. Tamin'ny alalan'ny Mesia, izay teraka tao anatin'ny tetiarany, no nahatongavan'izany fitahiana izany.

Rain'izay rehetra mamaly ny antson'Andriamanitra koa i Abrahama (Heb. 11:8, 17-19). Tsy porofon'ny finoana fotsiny ny fetezany hanolotra an'i Isaka ilay zanaky ny teny fikasana ho fanatitra (Gen. 22) fa varavarankely misokatra hoenti-maneho ny drafi-pamonjena koa.

Rehefa niteny toy izao i Jesôsy : "Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko" - Jao. 8:56, dia izao no navalin'ireo mpitarika Azy: "Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va?" - Jao. 8:57.

Mahatalanjona ny valin-tenin'i Jesôsy teo anatrehan'izany: "Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho." - Jao. 8:58.

Nampiasa fomba fiteny izay mampahatsiahy ny zavatra nambaran'Andriamanitra an'i Mosesy tao anatin'ny roimemy nirehitra i Jesôsy . Fanambarana ny maha-Andriamanitra Azy izany, dia Izy Hay tsy nisy nahary. Tsy isalasalana fa takatr'ireo mpitarika ny hevitra tao ambadiky ny teny nambarany satria "naka vato hitoraka Azy" izy ireo (Jao. 8:59).

Vakio ny Rôm. 4:1-5. Ahoana no ampiasan'i Paoly ny tantaran'i Abrahama mba hanambarana ny fahamarinana lehiben’ny famonjena amin'ny finoana irery ihany fa tsy amin'ny asan'ny lalana? Ahoana no anampian'ireo toko sy andininy ireo antsika hahatakatra ny maha-rain'izay velona amin'ny finoana Abrahama?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal