Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7 : SAMBATRA IZAY MINO - Ny fijoroana ho vavolombelon’i Tomasy

Daty
Alarobia 13 November 2024

AaVakio ny Jao. 20:19-31. Inona ny lesona mikasika ny finoana sy ny fisalasalana azontsika sintonina avy amin'ny tantaran'i Tômasy? Inona ny fahadisoana lehibe nataony?

Niseho tamin'ireo mpianany i Kristy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, rehefa nihidy tao amin'ny efitrano iray izy ireo noho ny tahotra. Tsy niaraka tamin'izy ireo i Tômasy. Taorian'izay dia ren'i Tômasy avy tamin'ireo mpianatra hafa ny tatitra momba ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty, saingy very fanantenana izy. Tsy nifanaraka tamin'ny sary tao an-tsainy mikasika ny fanjakan’Andriamanitra izany. Azo antoka koa fa nanontany tena izy ny amin'ny antony hisehoan'i Jesôsy amin'ireo namany kanefa izy aza tsy teo.

Hoy i Tomasy: "Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tánako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tánako, dia tsy mba hino aho." - Jao. 20:25.

Nambarany ho ren'ny hafa ireo fepetra mba hinoany ny toe-javatra. Miverimberina ao amin'ny filazantsaran'i Jaona izany fomba fijery ny finoana an'i Jesôsy izany. Izao no navalin'i Nikodemôsy an'i Jesôsy: "Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe?" - Jao. 3:4. Izao ny fanontaniana napetrak'ilay vehivavy teo am-pantsakana: "Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?" Jao. 4:11. Ary izao no fanontanian'ireo vahoaka izay nofahanana tamin'ny mofo sy hazandrano: "Inona ary no famantarana ataonao?" - Jao. 6:30.

Izany, hevitra momba ny hoe "mahita vao mino" izany no tsipihin'ny filazantsaran'i Jaona. Rehefa nihaona tamin'i Tômasy i Jesôsy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia nasainy nanatona Azy izy, mba hahita sy hikasika ny tenany. Rehefa izay dia nilaza Izy hoe: "sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino." - Jao. 20:29.

"Andriamanitra tsy mampino antsika na oviana na oviana, raha tsy manome porofo ampy hiorenan'ny finoantsika. Ny fisiany, ny toetrany ary ny hamarinan'ny Teniny dia hamarinin'ny porofo izay mitory amin'ny saintsika, sady ampy hanaranam-po izany porofo izany. Andriamanitra anefa tsy nanaisotra na oviana na oviana izay rehetra mety hahatonga fisalasalana. Tsy maintsy miankina amin'ny porofo mibaribary ny finoantsika, fa tsy amin'ny fitsikeran-javatra." - DHK, t. 120.

Efa nomena porofo marobe isika mba hinoantsika an'i Jesôsy , amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra sy ny famoronana ary ny fanandramantsika manokana.

Inona no holazainao raha misy olona manontany anao hoe: Nahoana ianao no mino an'i Jesôsy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal