Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hanjaka mandrakizay Izy

Daty
Alatsinainy 02 December 2024

 «Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.» - Apôk. 11:15. 

Mofon’aina:
Ny fiavian' i Kristy izay hampiditra ao amin'ny fanjakan'ny fahamarinana no aingam-panahy nanesika ny mpanoratra masina hanao ireo fanambarana kanto sy manetsi-po indrindra (...) Nanao an-kira ny hery sy ny voninahitry ny Mpanjakan'Isiraely ny mpanao Salamo hoe: (...) "Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany ( ...) Eo anatrehan Jehôvah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara (...) araka ny rariny Izy ary ny firenena amin'ny fahamarinany" Sal. 96: 11- 13. 

Hoy ny mpaminany Isaia: ( ...) "Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehôvah Tompo hamafa ny ranomaso amin 'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra (...)" — Isa. 25:8 (...)

Raha nadiva hisaraka tamin'ny mpianany ny Mpamonjy, dia nampahery azy (...) Izy: "Aza malahelo ny fonareo (...) Ao an-tranon 'ny Raiko misy fitoerana maro (...) fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko" - Jao. 14:1-3(...)

Ireo anjely izay nijanonjanona teo amin'ny tendrombohitra Oliva rehefa niakatra ho any an-danitra i Kristy dia namerina ny teny fikasan'ny fiverenany tamin'ny mpianany: «Iny Jesôsy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra» - Asa. 1:11. Ary izao no (...) nataon'ny apostoly Paoly (...): «Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra» - 1 Tes. 4:16. Hoy ilay mpaminany teo amin'ny nosy Patmo: «Indro Izy avy amin 'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy» - Apôk. 1:7. 
Eo amin'ny fiaviany no ivondronan'ny voninahitra rehetra momba ny «fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain' Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin 'ny voalohany indrindra». Amin'izay dia ho tapaka ilay fanapahan'ny ratsy efa naharitra ela dia ela; ka «ny fanjakana amin'izao tontolo izao» dia hanjary «fanjakan 'ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay» -Apôk. 11:15. — Ma, t. 21

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal