Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoan-tsarotra ho avy

Daty
Sabotsy 07 December 2024

 "Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehôvah , ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny." — Joe. 1:15. 

Mofon’aina:
Ireo faminaniana nomen'Ilay IZAHO be voninahitra tao amin'ny Teniny, dia mitovy amin'ny masom-by eo amin'ny rojon' ireo toe-javatra mitranga izay mampiray ny mandrakizay efa lasa sy ny mandrakizay mbola ho avy. Amin'ny alalan'ireny no ahalalantsika izay misy antsika ankehitriny (...) Izay rehetra voalazan'ny faminaniana mialoha ka tokony ho tonga hatramin'izao androntsika izao dia efa voasoratra ao amin'ny pejin'ny tantara, ary azon 'ny olona atao ny hatoky fa izay zavatra rehetra tokony ho tonga dia tsy maintsy ho tanteraka (...) 

(...) Mihotakotaka ny zavatra rehetra eto an-tany. Ireo faminaniana nomen'ny Mpamonj y momba ny zavatra hitranga alohan'ny hiverenany, dia tanteraka eo ambany masontsika. "Handre ady sy filazana ady hianareo ... Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. " — Mat. 24:6-7.

Manolotra zava-dehibe loatra ho antsika izao andro iainantsika izao. Ireo (...) mipetraka eo amin'ny toeram-pitokisana rehetra, (...) dia samy mampifantoka ny sainy amin'ireo toe-javatra mitranga manodidina .antsika. Manara-maso fatratra ny fifandraisana amin'ny samy hafa firenena izy ireny ary mahamarika ny hery mandrirotra eo amin'ny zavatra eto an4any, sady mahafantatra fa hisy zava-dehibe tsy isalasalana hiseho: efa eo an-katoky ny loza aman'antambo mampivarahontsana izao tontolo izao. 

Ny Baiboly ary ny Baiboly irery ihany no manome fahitana marina izany zavatra izany. Izy no manambara amintsika ny toe-javatra lehibe farany amin'ny tantaran'ny tanintsika ary milaza amintsika izay hitranga ka efa mandefa ny tandindony mahatonga fanjombonana eto an-tany, sady mahatonga antsika handre ny feo manambara ny fahantomorany (...)

 Ary amin'izao androntsika izao dia hozahan-toetra ny olona rehetra sy ny firenena rehetra, ka hafàtra amin'ny famarana eo an-tanan'Ilay tsy mety ho voafitaka. Hametra izay ho anjarany amin'ny alalan'ny safidy ataon'ny tenany ny olona sy ny firenena rehetra, ary hitantana ny zava-drehetra Andriamanitra ho fanatanterahana ny fikasany.

Tokony hiomana (...) ny Kristianina. Ary amin'izany fiomanana izany dia ilaina ny fandinihana lalina ny Tenin'Andriamanitra sy ny fiainana mifanaraka amin'ny fitsipiny. — Ma, t. 68 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal