Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampianatra ny isan-trano

Daty
Alahady 08 December 2024

 "Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano." — Asa. 20:20. 

Mofon’aina:
Amin' ireo mambran'ny fiangonantsika dia tokony hihamaro kokoa ireo mpitarika fianarana Baiboly isan-tokantrano sy mpampiely boky. Rehefa mamafy eny amoron'ny rano rehetra eny isika dia hahatsapa fa «izay mamafy be, dia be no hojinjany.»

 Ny ohatra nasehon'i Kristy dia tsy maintsy alain'ireo izay mitonona ho mpianany tahaka. Ampio ireo malahelo. Ireo hevitra mibahana mialoha dia ho resin'ny fankasitrahan'izy ireo ka ho takatrareo ny fony. (...) Afaka manao asa ao amin'ny ankohonany ny vehivavy, dia asa izay tsy vitan'ny lehilahy, asa izay mahatratra ny fiainana anaty. (...) Ireo vehivavy tsy tia sehoseho sy manetry tena dia afaka manao asa tsars amin'ny fanazavana ny fahamarinana amin'ireo olona ao an-tokantranony. Ny Tenin'Andriamanitra ampianarina toy izany dia hanao ny asan'ny masirasira ka (...) hiova fo ny ankohonana manontolo. 

Eo anivon'ny tokantrano, any an-tranon'ny mpifanolo-bodirindrina aminao, na eo an-tongo-pandrian'ny marary dia azonao atao ny miasa mangina amin'ny famakiana ny Soratra Masina sy ny fanambarana teny momba an' i Jesôsy sy ny fahamarinana. Amin'izany dia misy voa sarobidy azonao afafy ka hamelana sy hitondra vokatra any aoriana any. (...)

Tokony hiorim-paka ao anatintsika ny toe-tsaina misiônera, hanesika antsika hanatratra ireny sokajin'olona izay tsy nokasaintsika hiasana velively ireny, sy ireny toerana izay tsy azontsika an-tsaina ireny ny fomba tokony hiasana aminy. Manana planina ny Tompo momba ny famafazana ny voan'ny filazantsara. Rehefa mamafy voa araka ny sitrapony isika dia hampitombo be ny voa, ka afaka hanatratra olona an'arivony maro, izay tsy mbola nandre velively ny fahamarinana, ny Tenin'Andriamanitra.

Anjely alinalina sy arivoarivo no miandry fiaraha-miasa avy amin'ny mambran'ny fiangonantsika, ho fampitana ny fahazavana izay efa natosak'Andriamanitra, mba hisy vahoaka ho vonona ho amin'ny fiavian' i Kristy.

Ireo rahavavintsika, ny tanora, ny zatovo, ary ireo efa nahazoazo taona dia afaka mandray anjara avokoa ankehitriny amin'ny famitana ity asa ity. Ary rehefa manao izany izy ireo (...) dia hahazo ho an'ny tenany traikefa ambony indrindra. Hitombo amin'ny fahasoavana izy ireo rehefa manadino ny "izaho". — Ma, t. 104 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal