Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ho fantatr'izao tontolo izao

Daty
Alatsinainy 09 December 2024

  "Mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao." - Fil. 2:15. 

Mofon’aina:
Tanjon' Andriamanitra ny haneho ny fitsipiky ny fanjakany amin'ny alalan'ny olony.(...) Tian'Andriamanitra ny hanasaraka azy ireo amin'ny fomba amam-panao ary ny fahazaran'izao tontolo izao. Tokony hiseho eo imason'izao tontolo izao ny toetran'Andriamanitra rehefa mandinika ny fahatsarana sy ny famindram-po, ny fahamarinana ary ny fitiavan'Andriamanitra hita eo amin'ny fiangonany izy ireo. Ary (...) na izao tontolo izao aza dia hanaiky ny fahambonian'ireo izay tia sy matahotra ary manompo an'Andriamanitra, mihoatra noho ny olona hafa rehetra eto ambonin'ny tany.

Tokony ho ohatra amin'ny fahamasinana mihoatra noho ny olona rehetra ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito (...). Amin'ny olombelona rehetra dia izy ireo no nanankinana ireo fahamarinana lehibe indrindra. Nomena azy mitafotafo ny fahasoavana sy ny hery ary ny fahombiazana. Miandry ny fiverenan'i Kristy tsy ho ela eny amin'ny rahon'ny lanitra izy ireo. Ho azy ireo dia fanalam-baraka an'Andriamanitra ny famelana izao tontolo izao hihevitra fa tsy hery manjaka eo amin'ny fiainany ny finoana.

Feno loza ho an'ny zanak'Andriamanitra izao andro iainantsika izao noho ny fitomboan'ny herin'ny fakam-panahy alefan'i Satana. Koa mila mianatra mandrakariva amin'ilay Mpampianatra lehibe isika mba handrosoantsika amim-pitokiana sy amim-pahamarinana (...). Tranga lehibe tokoa no miandry antsika; ary tokony hijoro ho vavolombelona amin'ny alalan'ny fiainany (...) ireo izay milaza fa olon'Andriamanitra, mba hahitan'izao tontolo izao fa amin'izao andro anjakan'ny faharatsiana izao, dia mbola misy olona izay (...) mikatsaka kosa hanao ny sitrapon'Andriamanitra, olona izay manana ny lalàn'Andriamanitra voasoratra ao am-pony sy eo amin'ny fiainany.

Tokony hadio ny fisainany, ary ho mendrika sy hanandratra ny fiteniny, hisarika ireo manodidina azy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Tsy maintsy ho toy ny voatenona amin'izay rehetra lazainy sy ataony ny fivavahan'i Kristy. Tokony ho vahoaka voatokana, madio, ary masina izy ireo, ka hampita ny fahazavana amin'izay rehetra mifanerasera aminy. S itrapon'ny Tompo ny hahatonga azy ireo ho fiderana ny Anarany eto ambonin'ny tany amin'ny fanehoany ny fahamarinana eo amin'ny fiainany. Ampy hahatanteraka izany ny fahasoavan'i Kristy. — Ma, t. 113  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal