Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mamonjy ny laharana

Daty
Alarobia 11 December 2024

"Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an 'Andriamanitra." - Sal. 69:32. 

Mofon’aina:
Tombon-tsoa lehibe ho anao ny mifaly ao amin'i Jehôvah sy ny fahalalana ny fahasoavany izay mamelona antsika. Avelao ny fitiavany hanenika ny saina sy ny fonao. Mitandrema fa andrao reraka loatra ianao, na trotraky ny fiahiana sy ketraka. Manaova fijoroana ho vavolombelona manandratra. Ampanalaviro ny masonao ny haizina sy ny zava-mahakivy, ka banjino i Jesôsy ilay Mpitarika antsika lehibe, izay anolorantsika ny tenantsika sy ny amintsika rehetra, sy manara-maso ny asan'ny fahamarinana ankehitriny sy mampahomby izany. (...)

 Aoka ho hita taratra fa mitoetra ao am-po i Jesôsy, manohana sy mampahery. Tombontsoa lehibe ny andraisanao isan'andro isan'andro ny fatra fenon'ny Fanahy Masina, ary koa ny manana fomba fijery mivelatra ny amin'ny maha-zava-dehibe ny hafatra torintsika amin'izao tontolo izao. Vonona ny haneho aminao zava-mahatalanjona ao amin'ny lalàny Andriamanitra. Miandrasa Azy amim-panetren-tena. Manaova vavaka mafana mba hahatakaranao ny amin'ny vanim-potoana iainantsika, mba hahatakaranao amin'ny fahafenoany koa ny fikasany, ary mba hampitomboana ny fahombiazanao eo amin'ny asa famonjem-panahy. (...)

Mahasoa antsika ny fisaintsainana ny zavatra hitranga eto an-tany. Tsy fotoana anaovan-javatra tsy misy heviny izao na koa ikatsahana izay ho an'ny tena. Raha toa tsy manaitra ny fisainantsika ny fotoana atrehintsika amin'izao, inona no mety hanjo antsika? (...)

 Ilaina tokoa amin'izao andro izao ny olona manana fahatakarana tsara. Miantso ireo izay vonona hotarihin'ny Fanahy Masina Andriamanitra mba hanao asa fanavaozana. Toe-java-tsarotra no manoloana antsika, ka miantso ny mpiasany i Jehôvah mba hirotsaka an-daharana. Aoka ny fanahy tsirairay hanana fanoloran-tena marina sy lalina kokoa ho an'Andriamanitra mihoatra noho ny tamin'ny taon-dasa rehetra. (...)

Nanaitra ahy tokoa ny toe-javatra naseho ahy nandritra ny alina. Toy ny fihetsehana lehibe no hitako - fifohazana hita tany amin'ny toerana .maro. Nirotsaka an-daharana ny olona hanoina ny antson'Andriamanitra. (...) Moa ve isika tsy hanoina ny antsony? Moa ve isika tsy hamboatra ny fanalantsika ka hanao tahaka ny olona miandry ny fiavian'ny Tompony? Fotoana tokoa hiasana sy hitondrana fahazavana izao. — Ma, t. 159 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal