Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amin'izao androm-pahasoavana izao

Daty
Talata 17 December 2024

 "Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko anao; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena." - 2 Kôr. 6:2.

Mofon’aina:
Inoantsika tsy amim-pisalasalana fa ho avy tsy ho ela i Kristy. Tsy anganongano no andraisantsika izany fa zava-misy tokoa. Tsy misalasala isika, ary tsy mbola nisalasala hatrizay, fa maneho ny fahamarinana ankehitriny ny fampianarana izay torintsika ary efa manakaiky ny fitsarana isika. Efa miomana hihaona amin'Ilay hiseho eny amin'ny rahon'ny lanitra isika, dia Ilay harahin'ny anjely masina marobe, hampitafy ny tsy fahafatesana an'ireo izay mahatoky sy marina. Tsy ho avy mba hanadio ny otantsika Izy, na hanaisotra ny tsy mety eo amin'ny toetrantsika, na koa hanasitrana antsika amin'ny kileman-toetrantsika. Efa tontosa izany asa izany mialoha ny hiaviany.

Rehefa ho avy ny Tompo, ireo izay masina dia hihamasina hatrany. Hampitafiana ny tsy fahafatesana ireo izay nitahiry ny tenany sy ny fanahiny tao amin'ny fahamasinana sy ny fahamendrehana. Ireo tsy marina sy tsy masina kosa ary tsy madio dia hitoetra toy izany hatrany. Tsy hisy asa azo atao ho azy ireo mba hanalana ny kilemany sy hanomezana azy ny fahamasinana. Tsy hipetraka handrendrika intsony Ilay Mpandrendrika ka hanala ny fahotany sy ny fahalovany, fa amin'izao androm-pahasoavana izao no tsy maintsy anaovana izany rehetra izany. Ankehitriny no tsy maintsy anaovana izany asa izany ho antsika.

Rehefa mandray ny fahamarinan'Andriamanitra isika ka manaiky hotarihiny, dia miasa amintsika izany ka mahatonga ny fitondran-tenantsika ho azo ekena any amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fiarahamonin'ny anjely. Ao amin'ny trano fiasan'Andriamanitra isika ankehitriny. Maro amintsika no vato tsy mbola voapaika. Rehefa miorina eo amin'ny fahamarinan'Andriamanitra isika dia miasa amintsika ny hery mahataona ananany ka manandratra antsika sy manala ny tsy fahatanterahantsika sy ny otantsika, na toy inona izany na toy inona. Amin' izany no hahatonga antsika ho vonona hihaona amin'ny Mpanjaka ao amin'ny fahatsaran-tarehiny, ary koa hikambana amin'ireo anjelin'ny lanitra feno fahadiovana any amin' ilay fanjakan'ny voninahitra. Ety no anaovana izany asa izany ho antsika, ety no anomanana ny tenantsika sy ny fanahintsika ho amin'ny tsy fahafatesana. - Ma, t. 221 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal