Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amin'izao androm-pahasoavana izao

Daty
Talata 17 December 2024

 "Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko anao; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena." - 2 Kôr. 6:2.

Mofon’aina:
Inoantsika tsy amim-pisalasalana fa ho avy tsy ho ela i Kristy. Tsy anganongano no andraisantsika izany fa zava-misy tokoa. Tsy misalasala isika, ary tsy mbola nisalasala hatrizay, fa maneho ny fahamarinana ankehitriny ny fampianarana izay torintsika ary efa manakaiky ny fitsarana isika. Efa miomana hihaona amin'Ilay hiseho eny amin'ny rahon'ny lanitra isika, dia Ilay harahin'ny anjely masina marobe, hampitafy ny tsy fahafatesana an'ireo izay mahatoky sy marina. Tsy ho avy mba hanadio ny otantsika Izy, na hanaisotra ny tsy mety eo amin'ny toetrantsika, na koa hanasitrana antsika amin'ny kileman-toetrantsika. Efa tontosa izany asa izany mialoha ny hiaviany.

Rehefa ho avy ny Tompo, ireo izay masina dia hihamasina hatrany. Hampitafiana ny tsy fahafatesana ireo izay nitahiry ny tenany sy ny fanahiny tao amin'ny fahamasinana sy ny fahamendrehana. Ireo tsy marina sy tsy masina kosa ary tsy madio dia hitoetra toy izany hatrany. Tsy hisy asa azo atao ho azy ireo mba hanalana ny kilemany sy hanomezana azy ny fahamasinana. Tsy hipetraka handrendrika intsony Ilay Mpandrendrika ka hanala ny fahotany sy ny fahalovany, fa amin'izao androm-pahasoavana izao no tsy maintsy anaovana izany rehetra izany. Ankehitriny no tsy maintsy anaovana izany asa izany ho antsika.

Rehefa mandray ny fahamarinan'Andriamanitra isika ka manaiky hotarihiny, dia miasa amintsika izany ka mahatonga ny fitondran-tenantsika ho azo ekena any amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fiarahamonin'ny anjely. Ao amin'ny trano fiasan'Andriamanitra isika ankehitriny. Maro amintsika no vato tsy mbola voapaika. Rehefa miorina eo amin'ny fahamarinan'Andriamanitra isika dia miasa amintsika ny hery mahataona ananany ka manandratra antsika sy manala ny tsy fahatanterahantsika sy ny otantsika, na toy inona izany na toy inona. Amin' izany no hahatonga antsika ho vonona hihaona amin'ny Mpanjaka ao amin'ny fahatsaran-tarehiny, ary koa hikambana amin'ireo anjelin'ny lanitra feno fahadiovana any amin' ilay fanjakan'ny voninahitra. Ety no anaovana izany asa izany ho antsika, ety no anomanana ny tenantsika sy ny fanahintsika ho amin'ny tsy fahafatesana. - Ma, t. 221 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal