Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoam-pahoriana tsy misy toa azy

Daty
Zoma 20 December 2024

"Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky." - Dan. 12:1.

Mofon’aina:

Rehefa hifarana ny hafatry ny anjely fahatelo, dia hitsahatra tsy hanao fifonana ho an'ny olo-meloka ety an-tany intsony ny famindrampon’Andriamanitra. Efa vitan'ny vahoakan'Andriamanitra ny asany. Efa nandray ny "ranonorana farany" izy, dia ny "andro famelom-belomana avy amin'ny fanatrehan 'ny Tompo", ka vonona hiatrika ny andro fizahan-toetra manoloana azy izy. Hivezivezy haingana mampitohy ny lanitra sy ny tany ny anjely. Hisy anjely avy ety an-tany hilaza fa vita ny asany; efa nampiharina tamin'izao tontolo izao ny fisedrana farany, ary izay rehetra hita fa nahatoky tamin'ny didin'Andriamanitra dia efa nandray ny "tombokasen'Andriamanitra velona". (...) Hanandratra ny tanany Izy sady hiteny amin'ny feo mahery hoe: "Vita" (...)

Rehefa mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina Izy, dia hisy haizina hanarona ny mponina eto an-tany. Mandritra io fotoana mampangorohoro io, dia tsy maintsy hivelona eo imason'Andriamanitra masina tsy misy mpanelanelana ny marina. Efa nesorina ny fefy nisakanana ny ratsy fanahy. Ary hanampatra ny fahefany amin'ny olona nikomy tsy nety hibebaka hatramin'ny farany i Satana. Mifarana ny faharipon'Andriamanitra. Nitsipaka ny famindrampony izao tontolo izao, nanamavo ny fitiavany sy nanitsakitsaka ny lalany. Nihoatra ny fetran'ny fahasoavana ny ratsy fanahy; efa niala ny Fanahin'Andriamanitra, izay nikirizana hotoherina. Tsy manana ny fahasoavan'Andriamanitra ho fialofana izy ireo, ka tsy misy miaro azy intsony amin'ilay ratsy. (...) Rehefa hitsahatra tsy hihazona ireo rivotra masiakan'ny filana ambany eo amin'ny olombelona ny anjelin'Andriamanitra, dia hovahana izay rehetra mahatonga ny ady. Ho tratry ny faharavana mahatsiravina noho izay nihatra tamin'i Jerosalema fahiny ny tany manontolo.

Ireo izay madio tanana sy madio am-po ihany no hahajoro amin'izany andro fizahan-toetra izany. (...) Ankehitriny no fotoana mety, raha mbola mihazona ny rivotra efatry ny lanitra ny anjely, mba hahatonga ny fiantsoana sy ny fifidianana antsika ho azo antoka. - Ma, t. 265

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal