Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Arovan'ny anjely amin'ny androm-pahoriana

Daty
Sabotsy 21 December 2024

 "Mandehana, ry oloko, midira ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana hianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan'ny fahatezerana." - Isa. 26:20.

Mofon’aina:
Amin'ny andron'ny fitsapana mahamay dia hoy i Kristy: "Mandehana, ry oloko, midira ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana hianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan'ny fahatezerana. " Efitrano inona moa izany natao hiafenan'izy ireo izany? Ny fiarovan' i Kristy sy ireo anjely masina izany. Tsy ho tafangona amin'ny toerana iray avokoa tsy akory ny vahoakan'Andriamanitra. Vondrona samy hafa no misy azy ireo, ary any amin'ny faritra samy hafa manerana ny tany. 

Hitako ireo olo-masina mandao ireo tanan-dehibe sy vohitra, ka mitambatambatra ho vondrona, ary mipetraka amin'ny toerana mitoka-monina. Namatsy sakafo sy rano azy ireo ny anjely, fa ny ratsy fanahy kosa nampahorin'ny hanoanana sy ny hetaheta. 

Nisy tranga lehibe manaitra nandalo teo anoloako nandritra ny alina. Toa nisy fisavorovoroana lehibe sy tafika miady. Nijoro teo anatrehako ny iraky ny Tompo anankiray nilaza hoe: "Antsoy ny ankohonanao. Izaho no hitarika anareo, manaraha ahy." Nitondra ahy tamin'ny lalana maizimaizina izy, lalana mamaky ny ala, avy eo teny antsefatsefaky ny tendrombohitra, ary hoy izy: "Eto no toerana azo antoka ho anareo." Nisy olona maro hafa koa notarihina ho eo amin'io fiafenana io. Hoy ilay iraky ny lanitra: "Tonga tahaka ny mpangalatra amin'ny alina ny andro mahory, araka ny efa nampitandreman'ny Tompo anareo." 

Tsy ho afa-mandositra ny fahafatesana ny olo-marina raha tsy avy amin'ny asa fanompoana ataon'ny anjely masina, mandritra ny andro fahoriana izay ho tonga mialoha indrindra ny fiverenan'ny Tompo. Tsy mba hahazo izany fiadanana izany anefa ireo mpandika ny didin'Andriamanitra. (...)

Mbola hiasa amin-kery ho an'ireo izay mandray fanapahan-kevitrahentitra hiandany amin'ny fahamarinana ny Tompo amin'ny andro farany. (...) Amin' ny fanenjehana faran'izay mafy indrindra (...) dia hitoetra tsy ho azo hozongozonina ny olom-boafidy. Tsy hahalevona izay malemy indrindra amin'ireo olo-masina tsy akory i Satana sy ny miaramilany rehetra. Hisy anjely marobe hiaro azy ireo ary hiseho aminy ny Tompo amin'ny maha-"Andriamanitry ny andriamanitra" Azy, afaka hamonjy tanteraka izay rehetra mametraka ny fitokiany Aminy. — Ma, t. 270 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal