Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fananganana ireo marina amin'ny maty

Daty
Talata 24 December 2024

"Mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty." - Isa. 26:19.

Mofon’aina:
Mivembena ny tany, mitsoriadriaka ny helatra, mirefodrefotra ny varatra, ary re ny feon'ny Zanak'Andriamanitra miantso hifoha ny olo-masina matory. Mijery ny fasan'ny marina Izy ka manandratra ny tanany ho amin'ny lanitra, ary miantso hoe: "Mifohaza, mifohaza ianareo izay matory ao amin'ny vovoka, ary mitsangana!".Eran'ny vazan-tany rehetra no handrenesan'ny maty io feo io, ary izay mandre dia ho velona. Koa dia ho re eran'ny tany ny fikatrokatroky ny tafika faran'izay lehibe avy amin'ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena, ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra. Mivoaka avy amin'ny tranomaizin'ny fahafatesana izy ireny, mitafy voninahitra mandrakizay, ary miantso hoe: "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô , aiza ny fanindronanao?" - 1 Kôr. 15:55. Ampiraisin'ny marina velona sy ny olo-masina nitsangana tamin'ny maty ny feony manao hobim-pifaliana sy fandresena.

Izay rehetra mivoaka ny fasana dia mitovy tsanganana tamin'ny fony izy ireo niditra tao am-pasana. (...) Nefa samy mitsangana amin'ny hery sy ny tanjaky ny fahatanorana mandrakizay izy rehetra. (...) Ny endrika mety maty, mety lo, tsy maha-te ho tia, efa voaloton'ny fahotana teo aloha, dia manjary tonga lafatra, kanto ary tsy mety maty. Navela tao am-pasana ny kilema sy ny sampontsampona rehetra. 

Vetivety toy ny indray mipi-maso no hanovana ny marina mbola velona. Nomem-boninahitra izy tamin'ny fandrenesana ny feon'Andriamanitra, ary ankehitriny dia atao tsy mety maty intsony izy ary entina hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka miaraka amin'ny olo-masina natsangana tamin' ny maty. Angonin'ny anjely avy amin'ny vazan-tany efatra ireo olom-boafidin'Andriamanitra." 

Rehefa miala avy eo amin'ny vovoka natoriany ny zaza madinika mitafy tsy fahafatesana, dia hihazakazaka ho eny an-tsandrin'ny reniny.

Tafaray ny mpisakaiza nosarahin'ny fahafatesana ela, tsy hisaraka intsony, ary mandredona hiram-pifaliana izy ireo raha miara-miakatra ho any amin' ny tananan'Andriamanitra. — Ma, t. 299 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal