Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tonga soa ao amin'ny tananan'Andriamanitra

Daty
Zoma 27 December 2024

 "Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao." - Mat. 25:23.

Mofon’aina:
Fitiavana tsy hay ambara no handraisan'i Jesosy ireo olona mahatoky Aminy hiditra amin'ny fifalian'ny Tompony. Ny fifalian'ny Mpamonjy dia ny mahita ireo fanahy voavonjy noho ny fahoriam-panahiny sy ny fietreny tody soa amin'ny fanjakan'ny voninahitra. Ary banana anjara amin'ny fifaliany ny voavotra eo am-pibanjinana ireo olon-tsambatra voavonjy noho ny asany sy ny fivavahany ary ny fandavan-tenany nentanim-pitiavana. Rehefa tafavory manodidina ilay seza fiandrianana lehibe fotsy mangatsakatsaka izy ireo dia misy fifaliana tsy azo tononina mameno ny fony, eo am-pijerena ireo voataonany ho an' i Kristy ka mahita fa ny anankiray dia nahazo olona hafa, ary ireo hafa kosa indray, samy tonga amin'ny seranan'ny fiadanana; mametraka eo an-tongotr'i Jesôsy ny satroboninahiny izy ka midera Azy mandritra ny andro mifandimby mandrakizay mandrakizay.

Rehefa raisina eo amin'ny tananan'Andriamanitra ny voavotra, dia manakoako manerana ny lanitra ny antsom-piderana feno hafaliana. Efa madiva hihaona ireo Adama roa. Mijoro ny Zanak'Andriamanitra, manatsotra ny tanany handray ny rain'ny taranak'olombelona - Ilay nohariany nefa nanota tamin'ny Mpanao azy, ary noho ny fahotana nataony no nitondran'ny tenan'ny Mpamonjy ny holatry ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana. Rehefa hitan'i Adama ny marika navelan'ireo fantsika lozabe, dia tsy hiantoraka eo an-tratran'ny Tompony izy, fa hietry ka hiankohoka eo an-tongony, manao hoe: "Mendrika, mendrika ny Zanak'ondry izay voavono!" (...)

Rehefa voaroaka niala tao Edena i Adama, dia feno fahoriana ny fiainany teto an-tany. Ny (...) fahasimbana rehetra teo amin'ny endrika kanton'ny zava-boahary (...) dia samy nampahatsiaro azy hatrany ny fahotany. Mafy tokoa ny nenina nanetoketoka azy rehefa nijery ny fitomboan'ny ratsy izy, ary nigoka ny ngidiny noho ny fahatsiarovany tena ho fototra niavian'ny fahotana. Tamim-panetren-tena sy tamim-paharetana no nizakany (...) ny sazin'ny fandikan-dalana. Nibebaka marina ny amin'ny fahotany izy sady natoky ny fahamendrehan' Ilay Mpamonjy nampanantenaina, ka maty teo amin'ny fanantenana ny fitsanganana amin'ny maty. Ny Zanak'Andriamanitra no nanavotra ny fahadisoana sy ny fahalavoan'ny olona; ary ankehitriny, tamin'ny alalan'ny asa fanavotana, dia tafaverina eo amin'ny fanjakany voalohany Adama.- Ma, t. 315 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal