Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 1: TIA TSY VOZONANA ANDRIAMANITRA - Marobe no antsoina fa vitsy no fidiana

Daty
Alarobia 01 January 2025

Tsy hoe tia ny olona fotsiny amin’ny sitrapony tanteraka Andriamanitra, fa manasa azy ireo koa mba hifankatia Aminy. Hita mazava izany amin’ny fanoharana momba ny fanasana fampakaram-bady ataon’i Kristy.

Vakio ny Matio 22:1–14. Inona no dikan’ity fanoharana ity?

Ao amin’ny fanoharan’i Kristy momba ny fanasana fampakaram-bady, dia nanomana mariazy ho an’ny zanany lahy ny mpanjaka ary nandefa ny mpanompony hitady ireo “nasaina ho any amin’ny fampakaram-bady,” saingy “tsy nety ho avy” izy ireo (Mat. 22:2, 3, NKJV). Indroa na in-telo no nandefasan’ilay mpanjaka ny mpanompony, saingy nanda ilay antso ny olona, ary maro aza no nanisy ratsy sy namono ireo mpanompo (Mat. 22:4–6).

Taorian’izany, dia nilaza ilay mpanjaka hoe: “Efa vonona ny fampakaram-bady, fa ireo nasaina dia tsy mendrika. Koa mandehana any amin’ny lalambe, ary na iza na iza hitanareo dia asao ho any amin’ny fampakaram-bady” (Mat. 22:8, 9, NKJV). Avy eo, nisy lehilahy iray tsy nanana akanjo fampakaram-bady noroahina, izay midika fa tsy maintsy mandray akanjo avy amin’ny mpanjaka ny olona iray mba ho mendrika ho any amin’ny fampakaram-bady. Ary nofaranan’i Jesosy ny fanoharana tamin’ny fehezanteny tsy mazava nefa tena misy dikany hoe: “Marobe no antsoina, fa vitsy no fidiana” (Mat. 22:14, NKJV).

Inona no Dikan’izany? Ireo “voafidy” farany dia ireo izay nanaiky ny antson’ny Tompo ho any amin’ny fampakaram-bady. Ny teny nadika hoe “antsoina” sy “asaina” manerana ny fanoharana dia avy amin’ny teny grika kaleo (antsoina, asaina), ary ny zavatra mamaritra izay ho “voafidy” (eklektos) farany dia ny na nanaiky ny fanasana maimaim-poana ilay olona na tsia.

Raha ny marina, Andriamanitra dia miantso (izany hoe, manasa) ny olona rehetra ho any amin’ny fanasana fampakaram-bady. Na izany aza, mety handà ny fitiavan’Andriamanitra isika tsirairay avy. Zava-dehibe ho an’ny fitiavana ny fahafahana misafidy. Tsy hanery na oviana na oviana ny fitiavany amin’iza na iza Andriamanitra. Indrisy anefa, mety holavintsika ny fifandraisana amin’Andriamanitra.

Ny “voafidy” dia ireo izay manaiky ny fanasana. Ho an’ireo izay tia an’Andriamanitra, dia efa nanomana zavatra mahafinaritra kokoa noho izay azontsika eritreretina Andriamanitra. Ary indray, dia tonga amin’ny fanontaniana momba ny fitiavana sy ny fahafahana misafidy amin’ny fitiavana izany rehetra izany.


Inona no mampiseho amin’ny fiainanao fa efa nanaiky ny fanasana fampakaram-bady ianao ary efa tafiditra ao anaty akanjo mendrika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal