Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tolona amim-bavaka, ohatra ho antsika Izy.

Daty
Alarobia 01 January 2025

« Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra. » Heb. 5:7.

Mofon’aina:   
Efa nitehika ho hariva ny andro raha niantso ny telo tamin’ny mpianany hanatona Azy i Jesôsy. (...)

Mbola nitaredretra teny an-tendrombohitra ny fahazavan’ny masoandro milentika ary nanazava tamin’ny tarany mihatolaka ny lalana nodiaviny. Vetivety anefa dia maty ny fahazavana teo amin’ny havoana sy teo amin’ny lohasaha. (...)

Ankehitriny dia miteny aminy i Kristy mba tsy handeha lavidavitra kokoa intsony. Nandeha kely nihataka taminy Ilay Lehilahy ory ka nampitosaka ny fitalahoany tamin’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be. Nangataka hery haharetany amin’ify fisedrana zakainy ho an’ny olombelona ify Izy. Ny tenany dia tsy maintsy mamikitra amin’Ilay manana ny hery rehetra; amin’izany fomba izany ihany mantsy no ahazoany mibanjina ny hoavy. Natosany koa ny faniriana tao am-pony ho an’ny mpianany, mba tsy ho diso ny finoany ao amin’ny orahanjakan’ny haizina. (...)

Tamin’ny voalohany dia nampiraisin’ny mpianatra tamin’ny Azy ny fivavahany sy ny fangatahana nataony tamin’ny fony tokoa; rehefa afaka kelikely anefa dia resin’ny havizanana izy ireo (...) dia resin-tory. Nambaran’i Jesôsy taminy ny fijaliany; nitondra azy niaraka taminy Izy mba hiraisany Aminy eo amin’ny fivavahana; amin’izao fotoana izao indrindra dia mivavaka ho azy ireo i Jesôsy. Hitan’ny Mpamonjy ny alahelon’ny mpianany ary niriny mafy ny hanamaivana ny fahoriany amin’ny fanomezan-toky azy fa tsy ho very maina tsy akory ny finoany. (...) Izao no antom-bavaka nitambesatra taminy, dia ny ahazoana manome azy ireo fanehoana ny voninahitra izay efa niarahany manana tamin’ny Ray talohan’ny nisian’izao tontolo izao (...). Nitalahoany ny hahazoany manatri-maso ny fanehoana ny maha-Andriamanitra. azy izay hampahery Azy ireo amin’ny oran’ny adiny mafy indrindra mihatra aman’aina amin’ny fahalalana fa azo antoka ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy ary ampahan’ny drafitry ny fanavotana ny fahafatesany mahamenatra.

Re ny fivavahany. (...) Nisokatra tampoka ny lanitra (...). Namirapiratra teo amin’ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra avy ao anatiny ka nihaona tamin’ny voninahitra avy any ambony. Nitraka ary tsy nihohoka intsony i Kristy ka nijoro tao amin’ny fiandrianana tahaka an’Andriamanitra. Lasa ny ady mihatra aman’aina teo amin’ny fanahiny. Mamirapiratra « (...) tahaka ny masoandro (...) » ny endriny, ary « (...) fotsy tahaka ny mazava » ny fitafiany. – Mat. 17:2 – IFM, tt. 341,342, ed. 2023.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal