Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manatona an’Andriamanitra amim-panajana.

Daty
Zoma 03 January 2025

« Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka hianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. » Lio. 11:2. 

Mofon'aina:
Mba hanamasinana ny anaran’ ny Tompo, dia ilaina ny hanonona amim-panajana ireo teny entintsika milaza ny Tsitoha. «Masina sy mahatahotra ny anarany» -Sal. 111:9. Na oviana na oviana dia tsy tokony hotononina sy atao maivamaivana foana ny anaram-boninahitr’Andriamanitra sy ny anarana fiantsoana Azy. Rehefa mivavaka isika dia ao amin’ny efitra be voninahitry ny Avo Indrindra no idirantsika; ary tokony ho amin’ny tahotra masina no hahatongavantsika eo anoloany. Ny anjely dia manarona ny tavany raha miseho eo anatrehany. Ireo kerôbima, ireo serafima masina sy mamirapiratra, dia manatona ny seza fiandrianany amin’ny fanajana feno. Koa amin’ny fanajana be lavitra manao ahoana izany no hisehoantsika (...)

Fa mihoatra noho izany ny atao hoe manamasina ny Tompo. Toy ireo Jiosy tamin’ny andron’i Kristy, mety haneho fanajana lehibe ho an’Andriamanitra ety ivelany isika, kanefa mandoto ny anarany hatrany. «Ny anaran’i Jehovah» dia «mamindra fo sy miantra, mahari-po, be famindrampo sy fahamarinana (...) mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana» - Eks. 34:5-7. Ary toy izao no voasoratra ny amin’ny fiangonan’i Kristy: «Ary izao no hanononana azy: JehoôvahFahamarinantsika» -Jer. 33:16. 

Koa izany anarana izany dia mipetraka eo amin’izay rehetra mpanaraka an’i Kristy. Izany no lovan’ny zanak’Andriamanitra. Fa ny anaran’ny Ray no iantsoana ny fianakaviana manontolo. Eny, tamin’ny fahoriana sy fahavoazana mafy nahazo ny Isiraely dia hoy ny fivavaky ny mpaminany Jeremia: «Ny anaranao dia efa nantsoina taminay; aza mandao anay» - Jer. 14:19. Izany anarana izany dia hamasinin’ny anjelin’ny lanitra, sy ny mponina eny amin’izao tontolo izao tsy mba lavo. Rehefa mivavaka ianao hoe: «Hohamasinina anie ny anaranao», dia mangataka ianao izany mba hohamasinina eto amin’ity tany ity ny anarany, ary hohamasinina ao aminao. Andriamanitra dia efa nanaiky teo anatrehan’ny olona sy ny anjely fa zanany ianao; koa mivavaha mba tsy hanalanao baraka «ny anarana tsara izay niantsoana anareo» - Jak. 2:7.

Ho solon-tenany no nandefasan’Andriamanitra anao ho eto amin’izao tontolo izao. Koa na inona na inona ataonao dia tokony hoentina mampiseho ny anaran’Andriamanitra. – S, tt. 95,96.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal