Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha amin’Andriamanitra hahazo ny hanina sahaza.

Daty
Sabotsy 04 January 2025

« Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. » Mat. 6:11.

Mofon’aina :
Toy ny zaza, dia isan’andro isan’andro ianao hivavaka hoe: «Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.» Aza matahotra raha tsy manana ny ampy ho an’ny ampitso ianao. Mijoro eo anatrehanao mandrakariva ny teny fikasana; fa «(...) honina amin’ny tany hianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.» - Sal. 37:3. Hoy i Davida: «Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina» - Sal. 37:25. (...) Ilay Anankiray efa nanamaivana ny enta-mavesatra sy ny tebiteby nahazo ilay reny mpitondra tena, ary nanampy izay ilaina tao amin’ilay tokantrano tao Nazareta, no miara-mitondra amin’ny reny rehetra izay mitolona amin’ny fitadiavan-tsakafo ho an’ny ankizy. (...) Misokatra hitahy ireny ny tanany, ary eto amin’ity fivavahana nomeny ny mpianany ity dia mampianatra antsika Izy mba hahatsiaro ny mahantra. (...) 

Tsy sakafo hahatanjaka ny tena ihany no ao anatin’izany fangatahana izany, fa ny sakafo ara-panahy koa, dia izay hamelona ny fanahy ho amin’ny fiainana mandrakizay. I Jesôsy no mibaiko antsika hoe: «Aza miasa hahazo hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay.» Ary hoy koa Izy: «Izaho no mofo velona, Izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy» - Jao. 6:27,51. (...)

Avy amin’ny Teniny no andraisantsika an’i Kristy, ary ny Fanahy Masina dia omena mba hanokatra ny Tenin’Andriamanitra amintsika mba hahazoantsika azy tsara sy hampiditra ny fahamarinana ao am-pontsika. (...)

Eo amin’ny fampianaran’Andriamanitra antsika hangataka isan’andro isan’andro izay ilaintsika, na ny fitahiana ara-nofo, na ny ara-panahy, dia misy fikasana tiany hotanterahina mba hahasoa antsika. Tiany hotsaroantsika tsara fa tsy maintsy miankina amin’ny fikarakarany tsy mijanona isika, fa mitady hanintona antsika ho eo amin’ny firaisana aminy Izy. Amin’izany firaisana amin’i Kristy izany, noho ny fivavahana sy ny fianarana ireo fahamarinana lehibe sy saro-bidy ao amin’ny Teniny, dia ho toy ny fanahy noana hovokisana isika; ho sahala amin’ireo mangetaheta isika ka higoka eo amin’ny loharanon’aina. – S, tt. 99,100.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal