Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Efa nahazo maimaimpoana hianareo koa manomeza maimaimpoana.

Daty
Alakamisy 09 January 2025

Tahaka ny tsy nahafahan'llay mpanompo nanefa ny trosany tamin'ny tompony no tsy ahafahantsika manefa ny trosantsika amin’Andriamanitra. Tsy ho mendrika na oviana na oviana ny fitiavan’Andriamanitra isika. "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy." Rôm. 5:8. Fitiavana mahatalanjona manao ahoana re izany! Tahaka izao no ilazan'ny 1 Jao. 3:1 Izany: "Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika!"

Azontsika atao ary tokony hataontsika ny mampiseho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa araka izay tratrantsika. Raha fiantrana sy famelan-keloka lehibe tahaka izany no efa noraisintsika, manao ahoana moa no tokony hanehoantsika fiantrana sy famelana amin'ny hafa? Aoka hotsaroantsika fa verin'ilay mpanompo ny fiantran'ny tompony sy ny famelany heloka noho ny tsy nanehoany ireo tamin'ilay mpanompo namany. Raha tia an’Andriamanitra marina tokoa isika, dia haneho taratra ny fitiavany amin'ny hafa.

Vakio ny Jao. 15:12: 1 Jao. 3:16 ary ny 1 Jao. 4:7-12. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny fifandraisan'ny fifiavan’Andriamanitra sy ny fitiavantsika Azy ary ny fitiavantsika ny hafa?

Izao no nambaran'i Jesôsy tamin'ireo mpianany taoriana kelin'ny Jao. 15:12: "Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo." Inona ary no nandidian'i Jesôsy azy ireo? Ankoatra ireo baiko hafa, dia nandidy azy ireo (sy antsika) i Jesôsy mba hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo. Eto sy any amin'ny toko sy andininy hafa, mandidy antsika ny Tompo mba ho tia an'Andriamanitra sy ho tia ny namantsika.

Raha fintinina, tokony hahatsapa isika fa nafoy ny trosa tsy manam-petra tokony hefaintsika; tsy ho voaefantsika na oviana na oviana izany, trosa izay naloa ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana irery ihany. Araka izany, tokony ho tia sy hisaotra an Andriamanitra isika ary haneho fitiavana sy fahasoavana amin'ny hafa. Araka izay ampianarin'ny Lio. 7:47, dia lehibe ny fitiavanizay voavela heloka be, "fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana." Ary iza amintsika moa no tsy mahatsapa fa efa voavela heloka be?

Raha mitaky ny hitiavana ny namantsika ny fitiavana an'Andriamanitra, dia tokony ho dodona isika hizara ny hafatry ny fitiavan'Andriamanitra, amin'ny teny sy amin'ny asa. Tokony hanampy ny hafa eo amin'ny fiainany andavanandro isika. Aoka hokatsahintsika izay hahatonga antsika ho mpitondra ny fitiavan'Andriamanitra ka hampitodika ny olona amin'llay manolotra azy ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay any amin'ilay lanitra sy tany vaovao-dia ilay tontolo iray vaovao tsy tahaka ity tany ity simba sy ravan'ny fahotana sy ny fahafatesana, izay vokatra mahonenan'ny fandavana ny fitiavan'Andriamanitra.

Inona ny dingana manokana azonao atao mba hitiavana an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitiavana ny hafa? Inona no azonao atao ankehitriny sy amin'ny hoavy mba hanehoana amin'ny olona ny fitiavan'Andriamanitra ary koa mba hanasana azy ireo hiaina ny fifalian'ny fananana ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal