Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manana fo feno fankasitrahana.

Daty
Alatsinainy 06 January 2025

«Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’i Jehôvah ka nanao hoe: Hihira ho an’i Jehôvah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehôvah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. » Eks. 15:1,2.

Mofon’aina:      
Nisandratra toy ny firaondraonan’ny ranomasina izany hira mahafinaritra nohirain’ny olon-drehetra izany. Namakivaky ny ranomasina sy ny tany foana ny akony fa natosiky ny tendrombohitra manodidina niverina. (...)

Namela marika tsy azo kosehina tao an-tsain’ny vahoaka hebreo io hira io sy ny fanafahana lehibe izay tsiahiviny. Nohirain’ny mpaminany sy ny mpanao tonon-kira teo amin’ny Isiraely izany nandritra ny taonjato nifandimby mba hitory fa Jehôvah no hery sy fanavotana ho an’izay olona mialoka Aminy. Tsy natokana ho an’ny firenena jiosy irery io fihirana io. Manambara ny fandresena farany izay ho azon’ny Isiraelin’Andriamanitra sy ny fandevonana ny fahavalon’ny fahamarinana rehetra amin’ny andro ho avy koa izany. Ny mpaminany tao Patmô dia nandre ny mpandresy niakanjo fotsy lava sy nitana ny lokangan’Andriamanitra teo ambonin’ny ranomasina fitaratra miaro afo, «nihira ny fihiran’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, sy ny fihiran’ny zanak’ondry» (...)

Izany no hevitra raketin’ny fihiran’i Mosesy ka tokony hanetsika ny olona rehetra izay tia sy matahotra an’Andriamanitra koa. Nanao fanavotana lehibe lavitra noho izay nataony ho an’ny Hebreo teo amoron’ny Ranomasina Mena Andriamanitra, raha nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny ota. (...) Aoka hidera an’i Jehôvah sy ny zava-mahagaga vitany amin’ny feo mafy vokatry ny fo. Hanandratra ny feony hanao hira fiderana ireo izay mihevitra ny famindrampo miezinezina nataon’i Jehôvah, nefa koa tsy hanadino ireo fanomezam-pahasoavana madinika nomeny. Tokony hataontsika antom-pîsaorana tsy tapaka ny soa raisintsika isan’andro avy Aminy, ary ambonin’ireny rehetra ireny ny fahafatesan’i Jesôsy izay nahazoantsika nandray ny fahasambarana sy ny rivo-piainan’ny lanitra. Fangoraham-po manao ahoana loatra, fitiavana tsy takatry ny saina manao ahoana re no asehon’Andriamanitra antsika tamin’ny nanaovany antsika (...) ho anisan’ny ankohonany, sy nanaovany antsika ho antoky ny fitahiany sy ny fifaliany! – PM, tt. 272,273, ed. 2014.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal