Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sady mivavaka no miasa!

Daty
Alakamisy 09 January 2025

"Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho aloha, dia vao niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka (..) dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ny tanana misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany." - Neh. 2:4,5.

Mofon’aina:
Raha nangataka ny fanampian'Andriamanitra i Nehemia is tsy nanakombona ny tanany tamin'ny fahatsapana fa tsy misy anjarany na andraikiny ny fanatanterahany ny tanjony hanarina an'i Jerosalema. Tamim-pahamalinana sy tamim-pahaizana mitsinjo ny hoavy no nandrosoany tamin'ny fanaovana ny fandaminana rehetra nilaina hahazoana antoka ny fahombiazan'ny asa. (...) 

Tokony ho lesona ianaran'ny olon' Andriamanitra rehetra ny ohatr'io lehilahy masina io, ka tsy hoe hivavaka amim-pinoana fotsiny izy fa hiasa amin-jotom-po sy fahatokiana koa. Zava-tsarotra maro no efa natrehintsika; impiry no nosakanantsika ny asan'Ilay Mpiahy ho antsika, satria heverina ho tsy misy ifandraisany firy amin'ny fivavahana ny fahamalinana sy ny fahaiza-mitsinjo ny hoavy ary ny filofosana! Fahadisoan-kevitra lehibe izany. Adidintsika ny mikolokolo sy mampiasa ny hery tsirairay hahatonga antsika ho mpanompon'Andriamanitra mahomby. Ny fandinihana tsara amim-pitandremana sy ny drafitra maty paika dia tena iankinan'ny fahombiazan'ny asa masina ankehitriny, toy ny tamin'ny andron' i Nehemia. (...)

Ireo izay vonona sy maniry hiasa dia hahita fomba hanaovana izany. Tsy niankina tamin'ny toe-javatra tsy azo antoka i Nehemia. Nangatahiny tamin'izay afaka nanome izany ireo fitaovana tsy nananany.

Manetsika ny fon' ireo mpanjaka sy mpanapaka mandrakariva ny Tompo ho fanampiana ny olony. Ireo izay miasa ho Azy dia tokony hanaiky ny fanampiana avy amin'ireo izay nohetsehin'Andriamanitra ny fony hanome ho fampandrosoana ny asany. Mety hanokatra lalana ireo mpanompo niavian'ny fanomezana ireo, hidiran'ny fahazavan 'ny fahamarinana any amin'ny firenena maro mahantra. Mety ho olona tsy mahafantatra ny asan'Andriamanitra akory ireny olona ireny, na manana finoana an'i Kristy, na mahalala ny Teniny; saingy tsy antony handavana ny fanomezany izany.

Nankinin'Andriamanitra tamin'ny olona, na tsy mpino izy na mpino, ny fananany (...). Raha mbola eto an-tany isika, raha mbola miasa amin'ny fon'ny olombelona koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia natao handray fanampiana sy hizara fanampiana isika. - SW, 15 Marsa 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal