Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha mba haneho ny fitiavan'i Kristy

Daty
Alahady 12 January 2025

"Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?" - Rôm. 8:32.

Mofon’aina:
Rehefa nihantona teo amin'ny hazo fijaliana Izy ka nijaly noho ny fahotan'ny olo-meloka, iza no mahatombana ny fitiavan'i Kristy an'izao tontolo izao very? Tsy hay refesina ny fitiavany, mandrakizay.

Nasehon' i Kristy fa mahery noho ny fahafatesananyfitiavany. Nanatanteraka ny famonjena ny olombelona Izy; ary na tao anatin'ny ady mampatahotra indrindra tamin'ny herin'ny maizina aza Izy, dia nihanahery hatrany ny fitiavany (...). Tao anatin'ilay adim-panahy farany, rehefa notononina ilay teny toa nanakoako eran'ny voary manontolo hoe: "Vita", dia voaloa ny onitra ho fanavotana ny lehilahy sy ny vehivavy.

Tsy takatry ny saintsika ny lavany sy ny sakany, na ny haavo sy ny halalin' izany fitiavana izany. Tokony hameno ny fisainana ny fibanjinana ny halehiben'ny fitiavan'ny Mpamonjy tsy hita fetra, hanohina sy hampilefitra ny fanahy, hanadio sy hanandratra ny fihetseham-po, ary hanova tanteraka ny toetra manontolo. (...)

 Voafetra ny fomba fijerin'ny olona sasany momba ny fanavotana. Mihevitra izy ireo fa ampahany kely monja amin'ny famaizan'ny lalàn'Andriamanitra no niaretan'i Kristy. Araka ny eritreriny, rehefa nahatra tamin'Ilay Zanaka malala ny fahatezeran'Andriamanitra, tao anatin'ny fijaliany sy ny fahoriany rehetra dia nanana ny porofon'ny fitiavan'ny Rainy sy ny fankasitrahany i Kristy; ka namirapiratry ny fanantenana ny varavaram-pasana teo anoloany, ary niharihary taminy mandrakariva ny voninahiny ho avy. Fahadisoan-kevitra lehibe izany. Ny nampahory indrindra an' i Kristy dia ny fahatsapany ny tsy fahafalian'ny Rainy. Lehibe loatra ny fahorian-tsainy vokatr'izany, hany ka vitsy monja no mahatakatra izany. (...)

 Tsy misy teny mahalaza io fitiavana io. Mihoatra ny fahalalana izany. Lehibe ny zava-miafin'ny fahamasinana. Tokony hamelombelona, hanandratra, hambabo ny fanahintsika ny lohahevitry ny fitiavan'ny Ray sy ny Zanaka ny taranak' olombelona. Tokony hianaran'ireo mpanara-dia an' i Kristy ny haneho taratra eto an-tany io fitiavana mifono zava-miafina io, mialoha ny hiarahany amin'ny voavotra rehetra manao hoe: "Ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. " – Apôk. 5:13. — TFC, b. 2, tt. 212-215. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal