Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikatsaka marina ny fahamarinana

Daty
Sabotsy 18 January 2025

"Ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina." — Efes. 1:18. 

Mofon’aina:
Ny fahalalana an'Andriamanitra no loharanon'ny fahalalana sy ny fivelarana marina rehetra. Afa-tsy eo amin'izay harafesenin'ny fahotana ihany, na aiza na aiza andehanantsika na itoerantsika (...) dia efa naseho izany fahalalana izany. Na inona na inona lalam-pandalinana arahintsika, raha miaraka amin'ny faniriana madio hikatsaka ny fahamarinana, dia ho voatarika ho eo amin'ilay tsy hita maso, ilay fahendrena tsitoha izay miasa eo amin'ny zavatra rehetra sy amin'ny alalan'izany isika. (...) Manoatra lavitra noho izay mety ho tratry ny sain'ny olona ny vokatry ny firaisana toy izany eo amin'ny tena sy ny saina ary ny fanahy. (...)

Izao no hafany ho an' ny taranak' olombelona: "Mifankazara amin'ny tsitoha hianao" - Jôba 22:21. Ny fomba fiasa avy amin'ireo teny ireo no nampiharina tamin'ny fanabeazana ilay razamben'ny olombelona. (...)

 Raha avy teo am-pelatanan' Andriamanitra i Adama dia nanam-pitoviana tamin'Ilay Mpanao azy (...). "Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny" — Gen. 1:27, ary fikasany ny hanehoan'izy ireo ny voninahitr 'Ilay Mpahary sy izany endrika izany amin'ny fahafenoany kokoa hatrany, araka ny halavan'ny andro iainany. Nanana fahafahana mivoatra avokoa ireo fahaiza-manaony rehetra (...). Midadasika tokoa ny sehatra nahazoan'izy ireo nampiasa ny heriny sy ny fahaizany, be voninahitra ny saha nomena hanaovany fikarohana. Ireo zava-miafin'ny tontolo hita maso - "ny fahagagana avon'llay tanteraka amin'ny fahalalana" - Jôba 37:16, dia nanintona ny olona handalina izany. (…)

Noho ny tsy fankatoavany anefa dia tsy nomena izany. Nitotongana ny fitoviana amin'Andriamanitra noho ny fahotana, zary levona mihitsy aza izany. Nihanalemy ny hery ara-batan'ny olombelona, nihena ny hery ara-tsaina, ary nanjavona ny fahiratana ara-panahy. (...) Na izany aza anefa dia tsy navela tsy hanana fanantenana ny taranak'olombelona. Tamin'ny alalan' ilay fitiavana sy ny famindram-po tsy misy fetra no nanaovana ny drafi-pamonjena, ka nanomezana ny androm-pahasoavana. Mba hamerenana indray ilay endriky ny Mpamorona izay very eo amin'ny olombelona (...) dia notanterahina ity drafitra avy any an-danitra ity. Izany no tsy maintsy ho asan'ny fanavotana sy tanjon'ny fanabeazana ary antony lehibe eo amin'ny fiainana. — Fk, 8-10. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal