Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifamatotra ny vavaka sy ny fanavaozana

Daty
Alahady 19 January 2025

« Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako  ho avy hanetry tena ka hivavaka  sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny  ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra  Aho ka hamela ny helony  ary hahasitrana ny taniny. » —2 Tant. 7:14. 

Mofon’aina:
Tao amin'ny vavaka nirakitra faminaniana notononin' i   Solomona tamin'ny fitokanana ny tempoly (...) no efa nanambaran' ilay mpanjaka hoe: «Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin'ity trano ity izy, dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao». 
Napetraka tamin'izany vavaka izany ny tombokasen'ny fankasitrahan' Andriamanitra, fa nidina avy tany an-danitra ny afo ka nandevona ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra raha vao vita ny vavak'i Solomona, ary nameno ny tempoly ny voninahitr 'Andriamanitra. (...) 

Hatry ny taona maro lasa no efa tsy niheverana intsony ny Paska ho andro firavoravoan'ny firenena. Ny fizarazaran'ny fanjakana tamin'ny faran'ny andro nanjakan'i Solomona no nahatonga ny fankalazana izany ho tsy azo natao intsony. Ny famaizana mahatsiravina namely ny fokom-pirenena folo anefa no namohafoha indray tao am-pon'ny olona sasany ny faniriana ny fanatsarana ny ara-panahy, ary nitera-boka-tsoa tokoa ny hafatra nanaitra ny fo nataon'ny mpaminany. (...) Tsy nahoan'ireo mafy fo izany, fa ireo izay nitady fatratra ny Tompo mba hahalala bebe kokoa ny sitrapony dia «nanetry tena ka tonga tany Jerosalema». MM, tt. 278,279, ed. 1986 
Ny hany fanafodin'ny toe-java-nitranga dia ny fialana tamin'ny fahotana izay nahatonga ny famaizan'ny Tsitoha, ary ny fiverenany Aminy amin'ny fony rehetra. Fa efa nomena azy ireo izao fanomezan-toky izao hoe: «Indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko, raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho, ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny» -2 Tant. 7:14. Koa mba hahatongavana amin'izany fandresena izany amim-pihobiana no naharetan'ny Tompo tamin'ny fihazonana ny ando sy ny orana tsy hilatsaka mandra-pisian'ny fihavaozana tanteraka teo amin'ny Isiraely. — MM, tt. 101,102, ed. 1986. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal