Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manampy ny anjely

Daty
Alatsinainy 20 January 2025

"Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy." - Gal. 6:8. 

Mofon’aina:
Ry tanora lahy sy vavy, ampamoahina eo anatrehan'Andriamanitra ianareo ny amin'ny fahazavana nomeny anareo. (...) Efa naseho mazava tsara ireo loza mitatao aminao, efa nanarina sy nambenana tamin'ny lafiny rehetra ianao, nofefena taurin' ireo fampitandremana. Tao an-tranon'Andriamanitra no efa nandrenesanao ny fahamarinana miezinezina, sy mahakasika ny fo nasehon' ireo mpanompon'Andriamanitra tamin'ny fanehoan'ny Fanahy. (...) Inona no akon'izy ireo teo amin'ny toetranao? Horaisina ho tompon'andraikitra ianao amin'ireo fiangaviana sy fampitandremana rehetra ireo. Hitsangana eo amin'ny fitsarana ireo hanameloka izay manohy manao fiainana foana tsy misy vokany sy tsy matotra ary feno fireharehana. (...)

Ianao no namolavola ho an'ny tenanao ny hoavinao mandrakizay. Manana hery miasa mangina ho amin'ny tsara na ny ratsy eo amin'ny fisainan'ny hafa sy ny toetrany avokoa isika rehetra. Ary voarakitra ao amin'ny bokin'ny lanitra ny hery miasa mangina avy aminao. Manatrika anao ny anjely ary mandray an-tsoratra ny teny sy ny asa ataonao. Moa ve ianao mahatsapa ho miraviravy tanana sy mila hery avy amin'Andriamanitra rehefa mifoha amin'ny maraina? Moa ve ianao mampahafantatra amim-panetren-tena sy amin'ny fo ny fanirianao amin'ilay Rainao any an-danitra? Raha izany dia mandray an-tsoratra ny vavakao ny anjely, ary raha molotra marina no manonona ireny vavaka ireny dia ho eo anilanao ny anjely mpiambina anao raha mitady hanao ratsy tsy nahy ianao na hampiasa hery miasa mangina hitaona ny hafa hanao ratsy. Amin'izany no andrisihan'ny anjely mpiambina anao hifidy lalana tsara kokoa. Izy no hifidy ny teny holazainao sy hitarika ny asa ataonao. (...)

Voninahitra sy fiainana mandrakizay no valisoa omen'ny Mpanavotra antsika izay mankatò Azy. Nomeny fahafahana mamolavola fahatanterahan-toetra kristianina amin'ny Anarany izy ireo, ary koa mandresy tahaka ny nandreseny ho azy ireo. Nomeny ho ohatra ho azy ireo ny fiainany, ka nasehony azy ny fomba ahafahany mandresy. "Fa fahafatesana no tambin'ny ota; cit.)) fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin 'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 6:23. — TFC, b. 3, tt. 363-365. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal