Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Voaovan'ny fifandraisana amin'Andriamanitra

Daty
Talata 28 January 2025

 "Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy." — 2 Kôr. 3:18.

Mofon’aina:
Nifindran'ny voninahitry ny fanatrehan'Andriamanitra ny tavan'i Mosesy, nandritra ny fotoana lava niarahany tamin' Andriamanitra. Ary tsy fantany, raha nidina ny tendrombohitra izy, fa ny tavany dia namirapiratry ny hazavana mitovy amin'izay nanazava ny tavan'i Stefana raha nentina hotsaraina tany Jerosalema izy taty aoriana, «ka ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny anjely» - Asa. 6:15.

«Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka indro namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy». Rehefa hitan'i Mosesy fa nisavoritaka be ihany sy natahotra ny olona, nefa tsy fantany ny antony, dia nantsoiny moramora hiverina teo aminy izy ka nasehony azy ny antoky ny fampihavanana teny an-tanany, ary nomeny toky fa haverina aminy indray ny fankasitrahan'Andriamanitra. Nisy ihany anefa sahy nanatona azy, nony farany, ary nihanahanan'ny tahotra ka tsy nahateny fa nanondro ny tarehin'i Mosesy sy ny lanitra fotsiny. Fantatr' ilay mpanafaka tamin' izay ny tiany holazaina, ka «nasiany fisalobonana ny tavany». Tsy nahajery ny fahazavan'ny lanitra izay tokony hampifaly azy ny Isiraely, noho ny fahatsapany ny fahadisoana vitany. (...)

Eo an-daniny dia mampianatra antsika ny toetra mendrika sy marina ananan'ny lalàn'Andriamanitra izany famirapiratana izany, ary eo ankilany kosa ny voninahitry ny Filazantsara voaseho ao amin'i Jesôsy Kristy.

Tsy ny vato fisaky ny lalàna ihany no nomena an' i Mosesy tamin'ny fotoana nijanonany tao an-tendrombohitra, fa naseho azy koa ny planan'ny famonjena. Fantany fa ny fombam-pivavahana sy ny tandindona rehetra teo amin'ny fisoronana jiosy dia nanambara ny sorona hataon'ny Mpamonjy. Ny fahazavan'ny lanitra nivoaka tao Kalvary ary tsy latsa-danja amin'izany koa ny fahazavan'ny lalàn'Andriamanitra no niara-nifindra teo amin'ny tavan'ilay mpaminany. Tandindon'ny voninahitry ny asa fisoronana, izay i Mosesy no masoivohon'Ilay hany tena Mpanalalana ka natao mpanelanelana hita maso, izany fahazavana izany. Tandindon'ireo soa natokana ho an'ny zanak'Andriamanitra izay mitandrina ny didiny koa izany, amin'ny alalan'ny fanelanelanana nataon'i Jesôsy Kristy. (...) — PM, tt. 316,317, ed. 2014.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal