Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha amim-panetren-tena.

Daty
Alakamisy 30 January 2025

"Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina." Rôm. 8:26.

Mofon’aina:
Tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny vavaka raha tsy atao amim- panetren-tena sy amin'ny fo torotoro amin'ny anaran'i Kristy. Mahalala ireo izay mivavaka amin'ny fo manetry tena Ilay mpihaino sy mpamaly ny vavaka. Tsy mangataka na inona na inona afa-tsy amin'ny anaran'i Kristy ny tena Kristianina marina, ary tsy manantena na inona na inona raha tsy noho ny fanelanelanana ataony. I Kristy no tian'izy ireo homem-boninahitra amin'ny fitondrana ny vavaka ataony ho eo anatrehan'ny Ray, ary faniriany ny handray fitahiana avy amin'Andriamanitra amin'ny alalan ' i Kristy.

 Manana anjara asa lehibe ny Fanahy Masina mba hahatonga ny vavaka hankasitrahan'Andriamanitra. Manalefaka ny fo Izy, manazava ny saina ka mahatonga azy hahay hamantatra ny tena ilainy; velominy ny faniriantsika ka manjary noana sy mangetaheta ny fahamarinana isika, ary manao fanelanelanana ho an'ny mpivavaka amin'ny fo marina Izy.

 Tsy maintsy manatona an' Andriamanitra ny olombelona ka hahatsapa fa mila fanampiana izy, izay Andriamanitra irery no afaka manome azy. (...)

Ny vavaka amim-pinoana no fanalahidy mamoha ny trano firaketan'ny lanitra. Aoka hotsaroantsika fa rehefa manankina ny fanahintsika amin'Andriamanitra isika, dia raisiny ho andraikitra ny mihaino sy mamaly ny fivavahantsika. Manasa antsika Izy hanatona Azy, ary izay tsara sy sarobidy indrindra no omeny antsika — dia izay tena ilaintsika indrindra. Tiany ny manampy antsika. Aoka isika hatoky ny fahendreny sy ny heriny. Oh, mila manam-pinoana manao ahoana isika! Fiadanana sy fiononana manao ahoana no tokony hananantsika! Sokafy hidiran'ny Fanahin'Andriamanitra ny fonao, dia hiasa amin'ny alalanao sy hitahy ny asanao ny Tompo.

Tsy tokony hanetry tena eo anatrehan'Andriamanitra ve isika mba hivavaka ho an'ireo izay marefo ny aim-panahiny? Mila manokana fotoana tsy miovaova hivavahana ho azy ireny isika. Tsy tokony hivavaka isan'andro ho an'ireo maty ao anatin'ny helony sy ny fahotany ve isika? Eo am-pitalahoantsika amin'Andriamanitra mba hanorotoroany ireny fo vato ireny, dia ny fontsika no manjary mihamalefaka. Ho hitantsika malaky kokoa ny fahotan'ny tenantsika. – MR, b. 8, t. 197. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal