Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaiky hankatò ny didin'Andriamanitra

Daty
Zoma 07 February 2025

"Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’i Jehôvah dia hataonay sy hekenay." - Eks. 24:7.

Mofon’aina:
Nohamafisina izao ny fanekena araka ny toromarika avy amin' Andriamanitra (jereo ny Eks. 24:4-8).

Teo no nanomezana ny vahoaka ny fepetry ny fanekena. Nanao fanekena masina tamin'Andriamanitra izy ireo, izay tandindon'ny fanekena ifanaovan'Andriamanitra amin'ny mpino an'i Jesôsy Kristy rehetra. Napetraka mazava teo anoloan'ny vahoaka ny fepetra. Tsy navela hanjavozavo amin'ny sain' izy ireo izany. Rehefa nasaina nanapa-kevitra izy ireo, na handà na hanaiky ireo fepetra rehetra nomena, dia niara-nanaiky izy rehetra fa hanatanteraka ny zava-takina rehetra. Efa nanaiky hankatò ny didin'Andriamanitra izy ireo. Nofaritana mazava indray izao ireo foto-kevitry ny lalàna mba hahafantaran'izy ireo izany atao hoe manaiky hankatà ny lalàna izany; dia nanaiky ireo tsipirian'ny lalàna nofaritana manokana izy ireo.

 Raha nankatò ny fitakian'Andriamanitra ny Isiraelita dia ho Kristianina nahafatra-po. Ho nahita fahasambarana izy ireo satria ho nanaraka ny lalan'Andriamanitra fa tsy ny fironan'ny fony ara-nofo. Tsy navelan'i Mosesy ho diso fandray ny tenin'ny Tompo izy ireo. Noraketiny an-tsoratra tao amin'ny boky iray ny teny rehetra voalazan'i Jehôvah mba ho azon'izy ireo jerena any aoriana. Teo an-tendrombohitra no nanoratany izany, araka ny nanononan'i Kristy azy mihitsy.

 Tamin-kerim-po no nanomezan'ny Isiraelita toky fa hankatà ny Tompo izy ireo, rehefa avy novakina teo anatrehan'ny vahoaka ny fanekena. Hoy izy ireo: "Izay rehetra nolazain’i Jehôvah dia hataonay sy hekenay" — Eks. 24:7. Avy eo dia natokana sy nasiana tombokase ho an'i Jehôvah ny vahoaka. Nisy fanatitra natao ho an'ny Tompo. Natopy teo amin'ny alitara ny ampahany tamin'ny ran'ny fanatitra. Midika izany fa nanokana ny tenany — vatana, saina, fanahy —ho an'Andriamanitra ny vahoaka. Nisy ampahany koa natopy tamin'ny olona. Midika izany fa tamin'ny alalan'ny ra nalatsak'i Kristy no nandraisan'Andriamanitra azy ireo tamim-pitiavana ho rakitra soa ho Azy. Toy izany no nanaovan'ny Isiraelita fanekena masina tamin'Andriamanitra. MR, b. I, tt. 114,115. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal