Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Tia an’Andriamanitra.

Daty
Talata 18 February 2025

Ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra dia tsy midika tsy akory fa afaka manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny fahendrena sy ny lôjika Izy. Araka izany, tsy azony atao ny manao izay hitiavan'ny olona iray Azy amin-kalalahana. Ny fanaovan-javatra iray amin-kalalahana mantsy dia midika ho fanaovana izany tsy misy faneriteren'ny hafa, koa tsy mitombina izany ny fibaikoana ny olona iray hanao zavatra amin-kalalahana. Raha fintinina, efa hitantsika, ary tsy maintsy averintsika tsipihina indray fa tsy azon'Andriamanitra atao ny manery ny olona ho tia Azy, satria tsy fitiavana intsony ny zavatra atao an-tery.

Vakio ny Mat. 22:37 sy ny Deo. 6:4,5. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny fisian'ny safidy malalaka?

Ny didy lehibe indrindra momba ny fitiavana an'Andriamanitra dia manaporofo fa irin’Andriamanitra tokoa ny hitiavan'ny olona rehetra Azy. Tsy ny olona rehetra anefa no tia Azy. Nahoana àry raha toa ataon'Andriamanitra tia Azy tsotra fotsiny ny olona rehetra? Averina indray ny antony tsy anaovan'Andriamanitra izany: tsy maintsy omena amin-kalalahana ny fitiavana ami n'ny maha-fitiavana azy.

Vakio ny Heb. 6:17,18 sy ny Tit. 1:2. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo momba an'Andriamanitra?

Izao no ambaran'ny Nom. 23:19: "Andriamanitra tsy mba olona ka handainga." Tsy mandainga na oviana na oviana Andriamanitra (Tit. 1:2) fa mihazona ny Teniny sy ny fampanantenany (Heb. 6:17,18). Araka izany, raha nampanantena Izy na koa nanaiky fa hanao zavatra iray dia izany fampanantenana izany no hametra ny asa hataony amin'ny hoavy.

Midika izany fa na dia omena fahafahana manao safidy mifanohitra amin'izay tian’Andriamanitra aza ny voary, dia tsy miankina Aminy ny fanapahan-kevitra momba izay safidin'ny olombelona. Nanapa-kevitra ny hanome safidy malalaka ny voary Andriamanitra; azon'ny olombelona atao ny mampiasa ny fahalalahany amin'ny fomba samihafa izay manohitra ny fikasan’Andriamanitra tsara indrindra. Mampalahelo fa olona maro no mampiasa ny fahalalahana ananany araka izany fomba izany ka betsaka ny toe-javatra izay tsy ho nitranga raha ny fanirian'Andriamanitra saingy tsy miankina Aminy raha ny marina.

Inona ny zavatra nataonao neta fantatrao fa tsy tian'Andriamanitra hataonao? Inona no ampianarin'izany momba ireo vokatra (mety mampivarahontsana) ateraky ny safidy malalaka?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
Telovolana 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal