Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - "Raha hiankohoka eo anatrehako hianao."

Daty
Alarobia 26 February 2025

Aseho ao amin'ny fitantarana ny fakam-panahy ao amin'ny Mat. 4 sy ny Lio. 4 ny fiezahan'i Satana haka ny seza fiandrianan Andriamanitra. Betsaka no azo ambara momba ny toetry ny ady, araka ity fihaonana manaitra ity, dia ny fihaonan'i Jesosy tamin'ilay mpaka fanahy. Hitantsika ny maha-zava-misy marina ilay fifanandrinana lehibe eo amin'i Kristy sy i Satana, saingy aseho amin'ny fomba mazava kokoa izany eto.

Vakio ny Matio 4:1-11. Ahoana no anehoan'lreo andirniny ireo ny maha-zava-misy ny fifanandrinana lehibe eo amin'i Kristy sy i Satana?

"Nentin'ny Fanahy nankany an-efitra" i Jesôsy, "mba halain'ny devoly fanahy" Mat. 4:1. Ary talohan'izany fihaonana efa nokendrena mba hitranga izany dia nifady hanina nandritra ny 40 andro i Jesôsy. Koa naka fanahy an'i Jesôsy hanova ny vato ho mofo ny devoly rehefa tonga, noho ny fahafantarany fa tao anatin'ny hanoanana mafy Izy. Kanefa notoherin'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny Soratra Masina izany fakam-panahy izany, ka dia tsy nahomby ny tetik'i Satana.

Avy eo, nikasa hahatonga an'i Jesôsy haneho fanambonian-tena ny devoly, koa naka fanahy Azy mba hianjera avy eo an-tampon'ny tempoly. Navadik'i Satana ny Soratra Masina ka nolazainy fa raha tena Zanak'Andriamanitra tokoa i Jesôsy , dia hiaro Azy ny anjely. Saingy notoherin'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny Soratra Masina novakina araka ny tokony ho izy indray ny fakam-panahy.

Manambara mazava tsara ny tena ezahin'ny devoly hatao ny fakam-panahy fahatelo. Tiany hivavaka sy hiankohoka aminy i Jesôsy. Ezahin'i Satana ny maka ho an'ny tenany ny fanompoam-pivavahana izay tokony ho an'Andriamanitra irery ihany.

Dia nasehony an'i Jesôsy "ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny ho fanatrarany ny tanjony, ka hoy izy Taminy: "Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao." - Mat. 4:8,9. Hoy ny devoly ao amin'ny Lio. 4:6, izay mifanindran-dalana amin'izay voalaza ao amin'ny Matio: "Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy."

Mbola ny Soratra Masina ihany no nentin'i Jesôsy nanohitra ny fakam-panahy, dia resy indray i Satana.

Ny Soratra Masina hatrany no niarovan'i Jesôsy tena tamin'ny famelezan'ny fahavalo.

Mampahatsiahy antsika ny Efes. 6:12 fa "isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra." Marina fa tsy tokony hiaina ao anatin'ny horohoro isika, kanefa nahoana no tsy azontsika hadinoina ny maha-zava-misy ny ady mitranga manodidina antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal