Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— Kristy, Ilay mpandresy.

Daty
Alahady 09 March 2025

Marina fa misy fahavalo am-perinasa, izay antsoin'i Kristy hoe "andrianan'izao tontolo izao", kanefa i Jesôsy Kristy no tena mpanjakan'izao rehetra izao. Nandresy ho antsika i Jesôsy , ary ao Aminy no ahazoantsika fandresena, na dia ao anatin'ny ady sarotra sy ny fahoriana aza. Eny tokoa, manohitra ny fahavalo tsy an-kitsahatra ny asan'i Kristy.

Hitantsika fa faritan'ny Soratra Masina toy izao ny devoly:

  1. ilay mpamitaka izao tontolo izao hatramin'ny taloha (Apôk. 12:9; Mat. 4:3; Jao. 8:44; 2 Kor. 11:3; 1 Jao. 3:8).
  2. ilay mpanendrikendrika sy mpiampanga an'Andriamanitra sy ny vahoakany any an-danitra (Apôk. 12:10; Apôk. 13:6; Joba 1-2; Zak. 3:1,2; Joda 9).
  3. ilay andriana sandok'izao tontolo izao (Jao. 12:31; Jao. 14:30; Jao. 16:11: Asa. 26:18; 2 Kôr. 4:4; Efes. 2:2; 1 Jao. 5:19).

Vakio ny Jao. 18:37. Inona no ambaran’izany amintsika momba ny asan'i Kristy Izay manohitra ny famitahan'ny fahavalo? Inona no hevitry ny hoe Mpanjaka i Jesôsy ?

Na milaza aza ny Soratra Masina fa mpamitaka, mpanendrikendrika, mpiampanga, ary andrianan'izao tontolo izao i Satana, dia ampianariny koa fa i Jesôsy no mpandresy an'i Satana amin'ny lafiny rehetra.

  1. Tonga teto amin'izao tontolo izao i Jesôsy, mba hanambara ny marina (Jao. 18:37).
  2. Tamin'ny fomba faratampony, teo amin'ny hazo fijaliana, no nanehoan'i Jesôsy ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra tonga lafatra (Rôm. 3:25,26; Rôm. 5:8), ka naharihariny tamin'izany ny fitaky ny devoly tamin'ny fanendrikendrehany Azy (Apôk. 12:10,11).
  3. Ary amin'ny farany dia horavan'i Jesôsy ny fanjakan'ny devoly, izay mahafantatra fa "kely sisa ny androny" (Apôk. 12:12; ampitahao amin'ny Rôm. 16:20), ary i Kristy kosa "no hanjaka mandrakizay mandrakizay" -Apôk . 11:15.

Na inona na inona ataon'i Satana amin'ny farany, dia fahavalo efa resy izy, ary ny fitakiantsika isan'andro ny fandresen'i Kristy ho an'ny tenantsika, sy ny fitakiantsika ireo teny fikasana omen'ny hazo fijaliana antsika, no vahaolana ho antsika.

Ela fantatsika hoe iza no mandresy ao anatin'llay fifanandrinana lehibe. Misy fiantraikany amin'izay mety ho anjarantsika amin'ny farany ny safidy ataontsika isan'andro, amin'ny fomba ahoana? Ahoana no ahazoantsika antoka fa ao amin'ny antokon'ny mpandresy no misy antsika na dia izao ankehitriny izao aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal