Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toetra ambony indrindra

Daty
Sabotsy 05 April 2025

"Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny." - Jer. 9:23.

Mofon’aina:
Andriamanitra no loharanon'ny fahendrena rehetra. Tapitra ohatra amin'ny fahendrena Izy, sady marina no tsara. Tsy takatry ny sain'ny hendry indrindra amin'ny olombelona (afa-tsy i Kristy) ny momba Azy. Mety hilaza ny tenany ho hendry izy ireo, mety hidera ny zava-bitany, saingy ny fahalalana ara-tsaina fotsiny, raha misaraka amin'ireo fahamarinan-dehibe izay i Kristy no ivony, dia tsinontsinona. (...) 

Raha afaka mahita indray mitopy maso izay tsy mety ho hitan'ny masony voafetra ny lehilahy sy ny vehivavy, raha afaka mahita ny Mandrakizay izy ireo, dia ho tampina ny vava mpirehareha rehetra. Olona voafetra no monina eto amin'ity tontolo bitika toy ny atôma ity; ary manana tontolo tsy tambo isaina izay mankatà ny lalàny sy manome voninahitra Azy Andriamanitra. Na dia lasa lavitra amin'ny fikarohana ara-tsiansa ataony aza ny olombelona araka izay tratry ny fahaizany voafetra, dia mbola misy fahalalana tsy manam-petra ankoatra izay azony takarina.

Tsy maintsy mahatsapa ny fian-kinany amin'Andriamanitra sy fenoina amin'ny fahendreny ny olombelona, izay vao hendry marina. Andriamanitra no loharanon'ny herin-tsaina sy ny herim-panahy. Ny olo-manan-daza lehibe indrindra izay nahatratra ny avo indrindra amin'ny taranja siansa, sy mahatalanjona an'izao tontolo izao, dia tsy azo ampitahaina amin'i Jaona malala na i Paoly, ilay apostoly lehibe. Rehefa tafaray ny hery ara-tsaina sy ara-pitondran-tena, dia tonga amin'ny ambony indrindra amin'ny toetrany ny olombelona. Ireo izay mahatratra izany no heken'Andriamanitra ho mpiara-miasa Aminy amin'ny famolavolana ny saina. 

Fahalalana lehibe tokoa ny mahafantatra tsara ny tena. Ny mpampianatra mahay manombana ny tenany araka ny tokony ho izy dia hamela an'Andriamanitra hamolavola sy hifehy ny fisainany. (...) (1 Kôr. 4:7). Mitarika ho amin'ny fanetren-tena sy ny fitokiana amin'Andriamanitra ny fahafantarana tsara ny tena, kanefa tsy mahasolo ny ezaka ho amin'ny tsara tokony hatao izany. Izay mahatsapa ny tsy fahatanterahan'ny tenany dia tsy hitsitsy aina amin'ny fanatrarana ny tsara indrindra, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy. - STE, tt. 49,50.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal