Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomàna ho amin'ny fiainana mandrakizay

Daty
Alahady 06 April 2025

"Mba homen'Andriamanitr’i Jesôsy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin 'ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ny fahalalana Azy tsara, ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo (...)" Efes. 1:17,18.

Mofon’aina:
Ny fomba tsara indrindra hanakanana ny faharatsiana tsy hitombo dia ny fanomanana mialoha ny tany. Ilaina ny fikarakarana sy ny fitandremana fatratra mba hikolokoloana ny saina sy hambolena ny voan'ny fahamarinana sarobidin'ny Baiboly ao. Nambaran'ny Tompo tamintsika, noho ny famindrampony lehibe, ireo fitsipiky ny fahamasinam-piainana. Lazainy amintsika ireo fahotana tokony hialana; manazava ny drafi-pamonjena Izy ary manoro antsika ny làlana mankany an-danitra. Nanindry mandry olona masina Izy mba hanoratra torolalana momba ireo loza mananontanona ny làlantsika sy ny fomba hialana amin'izany, ho tombontsoantsika. Ireo izay mankatò ny baikony handinika ny Soratra Masina dia tsy ho diso anjara amin'ny fahalalana ireo zavatra ireo. Tokony hahatakatra ny anton'ny fanantenany sy ny finoany ireo mambran'ny fiangonana ao anatin'ny fotoan-tsarotra amin'ny andro farany, izay antony tsy saro-takarina. Manana ny ampy hamenoana ny saina isika, raha tiantsika ny hitombo amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana ny Tompontsika Jesôsy Kristy.

Raha ianarana araka ny tokony ho izy ny Baiboly dia hahatonga antsika harani-tsaina tokoa. Mampitombo ny fahaizantsika misaina ireo lohahevitra resahina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny fahatsorany mbamin'ny fahamendrehan'ny fanehoan-keviny, ary tsy misy fomba hafa mahavita izany (...). 

Tian'Andriamanitra hanao ny fomba rehetra isika hikolokoloana sy hanatanjahana ny herintsika ara-tsaina. Nohariana ho amin'ny fiainana ambony sy mendrika kokoa noho izao fiainantsika ankehitriny izao isika. Izao no fotoana fiomanana ho amin'ny fiainan-ko avy, dia ny fiainana mandrakizay. Aiza no misy lohahevitra lehibe sy mahaliana kokoa hodinihina sy hosaintsainina, noho ireo fahamarinana miezinezina aseho ao amin'ny Baiboly? Hanatanteraka asa mahery vaika ho antsika ireo fahamarinana ireo, raha manaraka tsara izay ampianariny isika.

Mijoro eo anilan'ireo mikatsaka ny fahamarinana amin'ny fo ny anjely avy any amin'ny tontolon'ny fahazavana, mba handresy lahatra sy hanazava ny saina. Afaka mahita fahazavana amin'ny alalan'ny fandinihana matetika ny Soratra Masina izay rehetra ao anaty haizin'ny tsy fahatakarana. - CTBH, tt. 125,126. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal