Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raiso ny Fanahy Masina

Daty
Alarobia 09 April 2025

 "Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao." - Sal. 119:169.

Mofon’aina:
Natao ambanin-javatra ny Baiboly, fa ny tenin'ireo lehilahy sy vehivavy heverina ho malaza kosa no nasolo azy. Enga anie ny Tompo hamela ny helotsika noho ny fanamavoantsika ny Teniny. Na misy harena tsy hay tombanana aza ao amin'ny Baiboly, ary na toy ny tany manafina volamena sarobidy aza izany, dia tsy mba omen-danja, tsy misy mpitrandraka, ka tsy hita ny harenany.Tsy haintsika sandaina ny hasarobidin'ny famindram-po sy ny fahamarinana ary ny fitiavana; tsy mety ho be loatra mihitsy ny fananantsika ireo harena avy any an-danitra ireo, ary ao amin'ny Tenin'Andriamanitra no ahitantsika ny fomba ahazoana azy. Nahoana anefa no tsy mampiraika ireo maro mitonona ho Kristianina ny Tenin'Andriamanitra? Satria ve tsy fanahy sy fiainana ny Tenin'Andriamanitra? Tsy mahaliana ve ny asa ampanaovin'i Jesosy antsika, rehefa mandidy antsika izy hoe "diniho ny Soratra Ilasina"? Hoy i Jesôsy: "ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana." Fa ny zava-panahy dia takarina ara-panahy, ary ny antony tsy mahaliana anao dia ny tsy fanananao ny Fanahin'Andriamanitra. 

Misy fiainam-baovao mikoriana ao anatinao rehefa mifandrindra amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fonao. Misy hazavana vaovao mamirapiratra eo amin'ny andalana tsirairay, ary manjary feon'Andriamanitra miteny amin'ny fanahinao izany. Toy izany no andraisanao hevitra avy any an-danitra ka ahafantaranao ny lalan-kalehanao sy hisitrahanao amin'ny fahafenoany ny tombontsoa omena anao isan'andro.

Tokony hangataka amin'ny Tompo isika mba hanokafany ny saintsika, hahafahantsika mahatakatra ny fahamarinan'ny lanitra. Raha mampietry ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra isika, raha esorintsika ao ny avonavona sy ny fireharehana ary ny fitiavan-tena, raha manam-paniriana marina sy finoana miorim-paka isika, noho ny fahasoavana be dia be nomena antsika, dia hamirapiratra ao an-tsaintsika ny tara-pahazavan'Ilay Masoandron'ny fahamarinana, ka hanazava ny fahatakarantsika maizina. I Jesôsy no fahazavana manazava ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao. (...) Tonga Izy hitady sy hamonjy ny very, ary tsy navelany hisy na inona na inona hampiala Azy amin'io tanjony tokana io. (...) Napetrany teo an-tanantsika ity asa ity. Hanatanteraka izany ve isika? — RH, 24 Nôvambra 1891. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal