Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ho an'izay mandalina ny haren-tsarobidy

Daty
Alakamisy 10 April 2025

"Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina, dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehôvah , ary ho hitanao ny fahalalana an 'Andriamanitra." - Ohab. 2:4,5.

Mofon’aina:
Ahoka tsy hisy hihevitra fa tsy misy intsony fahalalana horantovina. Azo refesina ny halalin'ny sain'olombelona; azo atao ny mahalala tanteraka ny asan'ny mpanoratra malaza, fa tsy hahatakatra ny sain'Andriamanitra kosa ny manan-tsaina indrindra. Misy tsy hita fetra any ankoatr 'izay rehetra azontsika fantarina. Mangirana kely fotsiny no hitantsika ny amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny fahalalany tsy hita fetra ary ny fahendreny (...). Tsy maintsy halentika lalina hatrany ny lelan'angady, mba hahitana ny harena be voninahitra. Amin'ny alalan'ny finoana marina dia hanjary fahalalan'Andriamanitra ny fahalalan'olombelona. 

Tsy misy olona mikaroka ny Soratra Masina amin'ny fanahin'i Kristy ka tsy hahazo valisoa. Rehefa maniry ny hampianarina toy ny zazakely ny olona, rehefa milefitra tanteraka amin'Andriamanitra izy, dia hahita ny fahamarinana ao amin'ny teniny. Raha mba mety mankatò ny olona, dia ho takany ny drafitry ny fanjakan'Andriamanitra, hisokatra hozahany ireo efitrefitra feno fahasoavana sy voninahitra any amin'ny tontolo any an-danitra. Ho tonga hafa dia hafa noho izao toetrany ankehitriny izao ny olombelona satria hanandratra azy ny fikatsahana ny fahamarinana. Ny zava-miafin'ny fanavotana sy i Kristy tonga nofo ary ny fanati-panorenana nataony dia tsy hanjavozavo tahaka ny ankehitriny intsony. Tsy hoe hihazava fotsiny izy ireny, fa hankasitrahana fatratra koa. (...)

Ambony noho ny volamena sy ny volafotsy ny tombambidin'io harena io. Tsy azo ampitahaina aminy ny haren'ny vatosoan'ny tany. "Hoy ny lalina: tsy ato anatiko izy; ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina. Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny; ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza. Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy. Ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy. Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy". - Jôba 28:14-18. — ST, 12 Septambra 1996. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal