Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana hiatrika fizahan-toetra

Daty
Talata 15 April 2025

 "Mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin 'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra (..) fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy." - Efes. 4:14,15.

Mofon’aina:
Takin'Andriamanitra amin'ny olony rehetra ny hanatsara ny fahaiza-manao nomeny azy ireo. Tokony hampitomboina araka izay azo atao ny tanjaka sy ny fahamendrehan'ny saina, amin'ny alalan'ny fisaintsainana ireo fahamarinana ara-panahy. Raha avela ho feno zavatra tsy misy dikany sy ho feno fiahiahiana izao fiainana izao ny saina dia hanjary osa sy tia zava-poana ary tsy ampy herim-panahy, araka ny lalàm-piainana tsy azo ovana.

Eo anoloantsika ny andro hizahan-toetra ny fanahintsika, ary tsy hahajoro amin'ireo andro mahory ireo izay malemy finoana. Tokony hodinihintsika amim-pitandremana ireo fahamarinan-dehibe ao amin'ny Baiboly; hilaintsika any aoriana mantsy ny fahalalana tsara ny Tenin'Andriamanitra. Ho hitantsika mazava ny andraikitsika tsirairay amin'ny alalan'ny fandinihana ny Baiboly, ary hahazo hery isika hiatrehana ny andron'ny fakam-panahy sy ny fizahan-toetra. Hotehirizin'ny herin' Andriamanitra ho amin'ny famonjena, amin'ny alalan'ny finoana, izay olona manana fiainana mifamatotra amin'i Kristy. 

Aoka isika hifantoka kokoa amin'ny zava-panahy, ary hampihena ny fahalianantsika amin'ny zavatry ny tany. Raha mandeha araka izany ireo mpampianatra tia izao tontolo izao, dia mety hanjary hifankazatra amin'ny Tenin'Andriamanitra tahaka ny ifankazaran'izy ireo ankehitriny raharahan'izao tontolo izao. "Diniho ny Soratra Masina" hoy i Kristy, "satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." Jao. 5:39.

Takina amin'ny Kristianina ny hazoto handinika ny Soratra Masina, sy hamaky imbetsaka ny fahamarinana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Mampidi-doza ny ain'ny Kristianina sy ny toetrany ny finiavany tsy te hahalala ny amin'izany. Manajamba ny saina sy manimba ny hery mendrika indrindra izany. Io no mampisavorovoro ny fiainantsika. Mila mahatakatra ny tenin'Andriamanitra isika vahoakany; mil a manana fahalalana an-tsipiriany momba ireo foto-kevitry ny fahamarinana nambara, izay hanomana antsika ho amin'izay hitranga eto an-tany, sy hiaro antsika tsy hampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra. — TFC, b.'5, tt. 272,273. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal