Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Nomena anao izay nangatahinao.

Daty
Talata 22 April 2025

Raha ny drafitr Andriamanitra tany am-piandohana dia tsy natao hanana mpanjaka olombelona na ny ny Isiraely, tsy natao ho tahaka ireo firenena hafa izay nanana ny mpanjakany izy. Nihena an-dalana anefa ny finoan'ny Isiraelita ka nanjary naniry ho tahaka ny firenena hafa rehetra izy ireo, mba hanana izay ananany koa.

Vakio ny 1 Sam. 8:4-18. Araka ny hevitrao, nahoana izy ireo no nanjary naniry hanana mpanjaka? Alaim-panahy toy izany koa isika; amin'ny fomba ahoana?

Zava-dehibe ny manamarika fa fandavana an'Andriamanitra tsy hanjaka amin'ny vahoakany ny fangatahan'izy ireo mpanjaka. Hatramin'izay dia natao hanatona mivantana ny Mpahary izy ireo, amin'ny alalan'ireo fanompoam- fan pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny maro hafa. Ny fangatahany mpanjaka dia hahatonga fahoriana aminy tahaka izay manjo ireo firenena mpanompo sampy, toy ny fanerena hiantafika rehefa misy ady ataon'ny mpanjaka, ny fangiazana, ny hetra, sy ny fijaliana hafa koa. Ho hitany fa ny olombelona mpanapaka dia mirona kokoa ho amin'ny fikatsahana ny tombontsoan'ny tenany fa tsy mitondra amim-pahatsaram-panahy tahaka an'Andriamanitra.

Ankoatra izany, tsy ho azo ovana ilay lamina vaovao: homena ny Isiraely izay nangatahiny, ary rehefa tsapany any aoriana fa fitotonganana no vokatr'izany, dia tsy hisy azo atao. "Ary hitaraina amin'izany andro izany hianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehôvah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany." - 1 Sam. 8:18.

Vakio ny Deo. 17:14-20. Mariho fa tsy nilaza Andriamanitra hoe: "Hanome mpanjaka azy ireo Aho" fa ny vahoaka kosa no nanapa-kevitra fa te hanana mpanjaka. Nanome fepetra kosa Andriamanitra ho fiarovana azy ireo amin'ny faharatsian'ny fitondram-panjakan'olombelona - - na dia matetika aza no natao tsinontsinona izany fepetra izany, araka ny hita eo amin'ny tantaran'ny firenena sy ny mpanjakany.

Ny fandinihana ny tantaran'ny Isiraely dia ampy ahitana fa niharatsy tokoa ny toe-javatra teo ambanin'ny fitondran'ireo mpanjaka ireo. Marina fa nisy mpanjaka tsara kokoa noho ny sasany, kanefa na ny "tsara" aza dia nanao fahadisoana maro (eritrereto ny amin'i Davida sy i Batseba). Toe-javatra maro no ahitana fa nifandimby nanjaka teo amin'ny firenena ireo mpanjaka "nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah" (jereo ny 1 Mpanj. 11:6; 1 Mpanj. 15:26; 1 Mpanj. 16:30; 2 Mpanj. 3:2, sns.)

Tamin'izany andro izany, na mandraka ankehitriny aza, dia misy teboka iray itovian'ny fitondram-panjakan'olombelona rehetra: olombelona mpanota no mitondra vahoaka mpanota. Mety hisy zavatra manjary ve amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal