Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Maminany indray

Daty
Alakamisy 01 May 2025

Teraka tao Amerika ny Fiangonan'ny sisa, dia teo amin'ilay toerana nitadiavan'ireo 'ireo nenjehina fahafahana ara-pivavahana indrindra, tamin'ireo taonjato faha-17 sy faha-18. Efa ela no nisian'ny korontana teo amin'ny lafiny ara-pivavahana sy ara-politika tany an-toeran-kafa; koa inoana fa tsy nisy toerana hafa ankoatra io tany vaovao io, izay tonga Etazonia taty aoriana, nahafahan'ilay fihetsehana nandroso haingana dia haingana sy tamin-kery toy izao.

Vakio ny Apôk. 10:1-11, izay manoritsoritra ny nipoiran'i fihetsehana io. Mariho ireo singa sasantsasany efa nianarantsika, toy ny "firenena", ny tany, ny ranomasina. Inona ny zava-dehibe ampahafantarina anao ao? Aoka anefa hitandrina mba tsy hivaona eo am-panazavanao izany.

Toy ireo anjely telo ao amin'ny Apôk. 14 sy ilay anjely ao amin'ny Apôk. 18, dia niantso tamin'ny feo mahery koa ilay anjely eto. Fotoana manan-danja lehibe eo amin'ny tantara no resahina, izay ampiorenana ny asan'ny fiangonana rehefa miorina ny asan'ny fiangonana sisa ho an'ireo "olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro." - Apôk. 10:11.

Mitazona "boky kely" ilay anjely azo inoana fa ny bokin'i Daniela io (jereo ny Dan. 12:4) izay sambany vao nosokafana taorian'ny taonjato maro. Ny tongony iray teo ambonin'ny ranomasina ary ny iray teo ambonin'ny tany. Azo heverina araka izany fa mahafaoka ny tany manontolo ilay hafatra, na ny Tontolo fahiny na ny Vaovao. Mety hidika koa izany fa ho an'ny firenena rehetra ilay hafatra: dia ireo monina eto ambonin'ny tany sy ireo monina any amin'ny ranomasina -"jentilisa".

Hanazava ny tany manontolo ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny farany, ary ho voatory amin'ny rehetra ireo hafatra farany ao amin'ny Apôk. 14. Tahaka ny Isiraely dia ny hitory ny filazantsara "amin'izao tontolo izao (...) ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra" no iraka ampanaovina antsika, "dia vao ho tonga ny farany" - Mat. 24:14.

Ho amin'ny fiafarana miezinezina no itondran'Andriamanitra ny tantaran'ny taranak'olombelona: tapitra hatreo ny fanjakan'olombelona, ary apetraka eo amin'ny fiandrianana mandrakizay kosa i Kristy. Vakio ny Dan. 2:34,35,44,45. Ambaran'ny Baiboly mazava tsara fa holevonina tsy hisy intsony ireo fanjakana rehetra eto an-tany, mandra-pahafoana tanteraka ireo vokany mahatsiravina, ka ny fanjakan'Andriamanitra mandrakizay no ho solony, izay tsy hisy fahotana, na fahoriana, na aretina, na faharatsiana, na fahafatesana intsony.

Jereo fa voalazan'ny faminaniana ao amin'ny Dan. 2 sy 7 an-tsipiriany ny fisandratana sy ny faharavan'ireo fanjakana rehetran'izao tontolo izao ireo. Mahatalanjona tokoa ny fahatanterahan'ireo faminaniana ireo antsakany sy andavany raha dinihina ny vanim-potoana nanoratan'i Daniela azy. Nahoana no tokony hanampy antsika izany hatoky an'Andriamanitra ny amin'llay fanjakana farany mandrakizay - dia ny fanjakan'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal