Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sakaizan'i Jesôsy

Daty
Alakamisy 24 April 2025

 " (...) Aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an 'i Jesôsy , Tompon 'ny finoantsika sy Mpanefa azy (...)" - Heb. 12:1,2.

Mofon’aina:
Tsy misy lehilahy na vehivavy na tanora mety hahatratra ny fahatanterahan-toetra kristianina raha manao rainazy ny fandinihana ny Tenin'Andriamanitra. Raha mandalina ny Teniny amim-pitandremana isika dia mankatô ilay baikon'i Kristy hoe: "Diniho ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. " — Jao. 5:39. Toy izany no ahafahan'ny mpianatra mibanjina Ilay Môdely avy any an-danitra, satria manambara an'i Kristy ny Soratra Masina. Tsy maintsy jerena ma tetika sy dinihina akaiky ny Môdely mba hahazoana maka tahaka azy. 

Rehefa fantatry ny olombelona tsara ny tantaran'ny Mpanavotra, dia manjary hitany ny tsy fahatanterahan-toetrany ary lehibe ny tsy fitoviany amin'i Kristy, hany ka tsapany fa tsy afaka hanara-dia Azy izy raha tsy misy fanovana goavana atao eo amin'ny fiainany. Manohy mandinika ny ka dinihiny ny endriny, ny fihetsiny, hak tahaka Ilay Modeliny lehibe, ary ny fisainan'Ilay Mpampianatra Soratra Masina anefa izy, sady maniry malalany. Voaova amin'ny fibanjinana Azy izy ireo. "Mijery an 'i Jesôsy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy. " — Heb. 12:2. Tsy amin'ny fanalavirana na ny fanadinoana an'i Jesôsy no anahafantsika ny fiainany, fa amin'ny fisaintsainana sy ny firesahana momba Azy, ary ny fiezahana hanitsy ny fironantsika sy hanandratra ny toetrantsika. Aoka hiezaka fatratra sy amim-paharetana hanakaiky Ilay Môdely tonga lafatra, amin'ny alalan'ny finoana sy ny fitiavana.

 Rehefa mibanjina an'i Kristy ny saina dia manjary vita sokitra ao am-po ny endriny madio tsy misy pentina, dia Ilay "notsongaina tamin'ny alinalina" ary "mahate-ho-tia avokoa izy" - Tonk. 5:10,16. Mihamitovy amin'izay ifankazarantsika isika, na tsy tsapantsika aza izany. Rehefa manana fahalalana an'i Kristy, ny teniny, ny fahazarany, ny lesona sy ny fampianarany isika, ary rehefa maneho ny hatsaran-toetrany izay efa nodinihintsika akaiky, dia feno ny fanahin'ny Tompo Ilay tena tiantsika sy nohajaintsika. (...)

Ny Tenin'Andriamanitra miteny amin'ny fo dia manana hery mamelona, ary ireo izay mitady fialan-tsiny tsy hianarana izany dia hanao tsirambina ny fitakian'Andriamanitra amin'ny lafiny maro. — RH, 28 Nôvambra 1878. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal