Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manondro ny lalana mankeo amin'i Kristy

Daty
Alatsinainy 28 April 2025

"(...) Mifankatiava fatratra amin 'ny fo; (...) 'Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" - 1 Pet. 1:22-25.

Mofon’aina: 
Manome antsika fahalalana momba ny drafi-pamonjena lehibe ny Baiboly masina, ary manoro antsika ny fomba ahazoan'ny tsirairay fiainana mandrakizay. Iza no mpanoratra io Boky io? I Jesôsy Kristy. Izy no Vavolombelona Marina, ary hoy Izy amin'ny olony: "Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tànako." — Jao. 10:28. Natao hampiseho antsika ny lalana mankany amin'i Kristy ny Baiboly, ary ao amin'i Kristy no miseho ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesôsy tamin'ny Jiosy sy ireo vahoaka nifanizina nanodidina Azy, "Diniho ny soratra masina." Nanana ny Teny ao amin'ny Testamenta Taloha ny Jiosy, saingy nafangarony tamin'ny hevitr'olombelona izany ka nanjary nanjavozavo ny fahamarinany, ary voafina ny sitrapon'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Manao tahaka azy ireo koa ny mpampianatra ara-pivavahana amin'izao vanim-potoana izao. 

Na dia nanana ny Soratra Masina izay nanambara an'i Kristy aza ny Jiosy, dia tsy nahafantatra an'i Kristy tao amin'ny Soratra Masina izy ireo; ary na dia manana ny Testamenta Taloha sy Vaovao aza isika, dia aolan'ny olona ankehitriny ny Soratra Masina mba hialana amin'ny fahamarinana; ary tahaka ny fomban'ny Fariseo. no ampianarany ny Soratra Masina, ka atakalony lovantsofina sy fitsipik'olombelona ny didin'Andriamanitra. (...)

Ny toritehin'i Kristy teo an-tendrombohitra dia nanohitra tanteraka ny fampianaran'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo mpanamarin-tena. Mpitsara masiaka, tsy miantra, tsy mamindra fo, ary tsy misy fitiavana no nanehoany an'Andriamanitra. (...) Na nilaza ho mahalala sy mivavaka amin'Andriamanitra marina sy velona aza izy ireo, dia tsy naneho Azy araka ny tokony ho izy velively; ary ny toetran'Andriamanitra, araka ny hita ao amin'ny Zanany, dia toy ny lohahevi-baovao, fanomezana vaovao ho an'izao tontolo izao. Nanao ny fomba rehetra i Kristy mba hamafana ny sary diso napetrak'i Satana tao an-tsain'ny olona, mba hiverina hatoky ny fitiavan'Andriamanitra indray ny olona. — FCE, tt. 308,309. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal