Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaiky ny Baiboly ho feon'Andriamanitra

Daty
Alarobia 30 April 2025

 « Raha maharitra amin 'ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. »- Jao. 8:31,32.

Mofon’aina:
Tsy very mandeha eo amin'ny lalan'ny adidy ireo tanora lahy  sy vavy manao ny Baiboly ho mpitari-dalana azy, ary voaro. Hampianatra azy ireo hitahiry ny toetrany ho mahatoky sy marina io Boky io, ary tsy hamitaka. Hampianarina azy fa tsy azony atao na oviana na oviana ny mandika ny lalàn'Andriamanitra mba hahazoany izay iriny, na dia mitaky fahafoizan-tena aza ny fankatoavana. Hianarany ao amin'ny Baiboly fa raha miala amin'ny lala-marina izy ireo dia tsy handray ny fitahian'ny lanitra; ary na misy aza ireo toa ambinina ao anatin'ny tsy fankatoavana, dia azo antoka fa tsy maintsy hijinja izay nafafiny ireny.

 Izay manaiky ny Soratra Masina ho feon'Andriamanitra miteny aminy no tena mpianatra. Mangovitra eo am-pandrenesana ny feony izy satria marina sy velona izany ho azy. Vonona hanaiky ny fampianarany masina ny sainy, ary mivavaka izy mba hanam-pahendrena hahazoany miomana ho amin'ny fanompoana. Rehefa apetraka eo an-tanan' ireo mpikatsaka ny fahamarinana ny fanilo avy any an-danitra dia hitany fa malemy sady tsy tanteraka ny tenany, ary tsy misy azony anantenana fanamarinana raha ny tenany no jerena. Hitan'izy ireo fa tsy misy na inona na inona mahamendrika azy eo anatrehan'Andriamanitra. Mivavaka izy mba hitari-dalana azy mandrakariva ny Fanahy Masina, Solontenan' i Kristy, ho amin'ny marina rehetra. Averimberiny ilay teny fikasana hoe: " fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin 'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra." — Jao. 14:26. 

Hitombo fahalalana sy fahaiza-manavaka ireo izay mazoto mianatra Baiboly. Ho takatry ny sainy ireo lohahevitra ambony ary hifikitra amin' ireo fahamarinana mandrakizay izy. Antony tsara no hanosika azy ireo hiasa. Hampiasa ny talentany izy hitaomana sy hanampiana ny hafa hahatakatra tsara kokoa ny andraikitra napetrak'Andriamanitra taminy. Ho dibo-kafaliana ny fony rehefa ho hitany fa nahomby ny ezaka nataony tamin'ny fizarana tamin'ny hafa ny fitahiana noraisiny. — CPTS, U. 449,451. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal