Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Natao hitandrina ny Sabata isika

Daty
Alakamisy 01 May 2025

 "Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony." - Gen. 2:2.

Mofon’aina:
Nohamasinin'Andriamanitra sy notahiny ilay andro nitsaharany tamin'ny asany rehetra mahagaga. (...) Natao ho tsangambato fahatsiarovana mandritra ny taona rehetra mifandimby izany, mandra-pifaran'ny tantaran'ny tany.

 Nanafaka ny Hebreo tamin'ny fanan-devozan'ny Egiptianina Andriamanitra, ary nandidy azy ireo hitandrina ny Sabatany sy hanaja ny lalàna nomena tao Edena. Nanao fahagagana isan-kerinandro ny Tompo mba hampitoetra ao an-tsain'izy ireo fa nanorina ny Sabata hatrany am-piandohan'izao tontolo izao Izy. (...)

Tonga tany an'efitr'i Sinay izy ireo tamin'ny volana fahatelo, ary teo no nanambarana ny lalàna, teo an-tampon-tendrombohitra, tamin'ny fomba manetriketrika sy miezinezina. Efa ela tokoa ny Isiraely no nandre sy nahita ny fanaon'ny mpanompo sampy tany Egipta, hany ka veriny tamin'ny ampahany lehibe ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny lalàny ary ny fahatsapany ny maha-zava-dehibe sy masina ny Sabata. Koa nohamafisina fanindroany ny lalàna ho fampahatsiarovana azy ireo ny amin'izany zavatra izany. (...) 

Hoy i Jehôvah tamin'i Mosesy: "milazà amin'ny Zanak'Isiraely hianao hoe: Ny Sabatako no tandremo." — Eks. 31:13a. Satria te hanafoana ny lalàn'Andriamanitra ny olona sasany dia manazava io "Sabatako" io ho ny Sabata ankalazain'ny Jiosy isan-taona. Kanefa tsy mifandrindra amin' ity fitakiana mazava manaraka azy ity izany hevitra izany: "fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehôvah Izay manamasina anareo. Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin 'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny. fireneny. Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an 'i Jehôvah (...). Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin 'ny henemana no nanaovan Jehôvah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra." — Eks. 31:13b-18. — RH, 30 Aogôsitra 1898.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal