Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andro maneho ny hery sy ny fitiavan'Andriamanitra.

Daty
Sabotsy 03 May 2025

«Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan 'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.» - Gen. 2:3.

Mofon’aina:
Rehefa nandinika tamim-pahalalaham-po ny asan-tanany izay tanteraka avokoa sady mendrika Ilay Mpanao azy Andriamanitra, dia nitsahatra Izy, tsy toy ny fitsaharan'olona aorian'ny manontolo andro iasany anefa, fa mba hanehoany ny hafaliany raha mahita ny asan'ny fahendreny sy ny hatsarany ary ny voninahiny Izy. 

Rehefa nitsahatra tamin'ny andro fahafito Andriamanitra, dia nanamasina izany andro izany Izy, izany hoe, nanokana azy ho toy ny andro fitsaharana ho an'ny olona. Antsoina hanaraka ny ohatra nasehon'ny Mpamorona azy ny olombelona; antsoina izy hanokana izany andro masina izany ho fialan-tsasatra, ka eo am-pandinihana ny lanitra sy ny tany, dia ho afaka hanandratra ny sainy ho amin'ny asan'Andriamanitra izy amin'ny fo feno fanajana sy fitiavana Ilay nanao ny ainy.

Tao amin'ny saha Edena no nananganan'Andriamanitra fahatsiarovana ny asa nataony. Napetrany tamin' i Adama izay ray sy solontenan'ny taranak'olombelona rehetra ilay andro fitsaharana. Ny fitandremana azy no toy ny mari-pisaorana avy amin'ny taranaka mifandimby rehetra ho an'Ilay Mpanjakany sy Mpamorona azy. Nanjary lovan'ny firenena io zava-notendrena io, izay natao ho fahatsiarovana tokoa. Ary satria tsy tandindon-javatra izany dia tsy voafaritra ho an'ny firenena anankiray manokana. 

Na dia tao Edena aza, dia nilain'ny olona mihitsy ny nanokana ny andro fahafito hitsaharana tamin'ny asany rehetra momba ny ety an-tany ka handinika bebe kokoa ny zavaboary, hihaino ny feon'ny natiora sy hanao antso avo fa misy Andriamanitra velona, Tompo sy Mpahary izay rehetra misy. "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra: Ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany. Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy Ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy." — Sal. 19:1. 
Nv hatsaran-tarehin'ny zavaboary dia famantarana ny fitiavan'Andriamanitra. Miseho eo amin'ny saha voaravaky ny hazo makadiry sy eo amin'ny voninkazo vao mivelatra izany. Ny zavatra rehetra dia mampahatsiaro izany avokoa; eny, ny zavatra rehetra dia samy manainga ny vetsovetsontsika ho any amin'Ilay Mpamorona izao tontolo izao. — PM, tt. 27,28.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal