Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanajana ny Sabata ny fanaovan-tsoa

Daty
Alarobia 14 May 2025

 «Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.» - Mat. 12:12.

Mofon’aina:
Rehefa nanontaniana i Jesosy hoe: «Mety va ny manasitrana amin'ny andro Sabata?» dia novaliany hoe: oIza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy? Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.» — Mat. 12:11.

Tsy sahy namaly an'i Kristy teo anatrehan'ny vahoaka marobe ny mpitsikilo noho ny fahatahorany ho tafiditra ao amin'ny zava- tsarotra. Fantany fa nilaza ny marina Izy. Naleony namela olona hijaly toy izay handika ny lovan-tsofiny, nefa hamonjy biby satria fatiantoka ho an'ny tompony ny fanaovana tsirambina izany. Noho izany dia lehibe kokoa noho ny ho an'ny olona natao araka ny endrik'Andriamanitra ny fikarakarana ny biby tsy afaka miteny. Sary manazava ny asan'ny fivavahana diso rehetra izany. Ny fanirian'ny olona hanandratra ny tenany ho ambonin'Andriamanitra no niavian'ireny, ary ny vokany dia fanetrena ny olona ho ambanin'ny biby. Ny fivavahana rehetra izay manohitra ny maha-mpanjaka an'Andriamanitra dia manala ny voninahitry ny olona izay nomena azy teo amin'ny famoronana, ary haverina aminy indray amin'ny alalan' i Kristy. Ny fivavahana diso rehetra dia mampianatra ny mpanaraka azy tsy hikarakara izay ilain'ny olona, ny fijaliany sy ny zony. Mametraka tombam-bidiny ambony eo amin'ny olombelona ny Filazantsara, amin'izay novidin'ny ran'i Kristy, ary mampianatra ny hijery amim-pitiavana izay ilain'ny olona sy izay mampahory azy. (...) 

Rehefa nitodika tamin'ny Fariseo i Jesosy ka nanontany azy raha mety ny manao soa na ny manao ratsy amin'ny andro Sabata, (...) dia ny fikasan-dratsiny no nentiny nifanehatra taminy. Nihaza ny ain'i Jesosy tamin'ny fankahalana mangidy izy, nefa Izy kosa namonjy aina ary nitondra fahasambarana ho an'ny vahoaka marobe. (...)

 Nanameloka ny fomba amam-panaon'ny Jiosy (...) ny didy fahefatra. «Mety ny manao soa amin'ny andro Sabata», hoy ny nambarany. Nesorin'i Kristy ireo fameperana tsy misy dikany nataon'ny Jiosy, ary tamin'izany dia nanome voninahitra ny Sabata Izy, fa ireo nitaraina ny Aminy kosa no nanala baraka ny andro masin'Andriamanitra. — IFM, tt. 223,224. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal